• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Challenges
Image
Asa & Fianarana

Ny trosa : Fahazarana maharendrika tokantrano maro

30/01/2023 10:00 © Moov.Mg

Hanangana trano dia mitrosa, hividy fiara dia mitrosa, hanao vacances dia mitrosa, hampiditra mpianatra dia mitrosa, te hihinana sakafo matsiro dia mitrosa ... Zary lasa fahazarana ho an'ny malagasy ny midi-trosa isaky ny misy zava-dehibe ilana vola. Maro ireo mindram-bola any amin'ny banky. Tsy vitsy kosa no mitrosa amin'ny havana na namana. Mampandroso sa mampihemotra ny trosa ? Ahoana ny fomba ialàna aminy ?

Ny voka-dratsin'ny trosa

Ekena fa tena ilaina tokoa ny findramam-bola rehefa misy tetik'asa mila renivola. Toy izany ihany koa rehefa misy faniriana tiana ho tanterahina nefa tsy ampy ny eo am-pelatanana.
Raha mindram-bola amin'ny banky dia misy ampahany amin'ny karama isam-bolana no andoavana ny trosa mandritra ny taona maro na vitsivitsy. Raha amin'olona tsotra kosa dia averina indray mandeha monja, miaraka amin'ny zana-bola. Marihina moa fa misy ny antoka tsy maintsy apetraka, ka io no anoneran'ny tompom-bola ny trosa tsy voaloha raha tsy manaja ny fifanarahana ny mpitrosa.
Ireto avy ny voka-dratsin'ny trosa :

  1. Ambony ny tahan'ny zanabola ;
  2. Mety tsy ho voaloha ny trosa raha misy olana arak'asa na ara-pahasalamana ny mpindrana ;
  3. Raha tsy mahay mitantana dia mety ho lanilany foana ny vola nindramina ;
  4. Lasa fahazaran-dratsy ny mindram-bola etsy sy eroa ka tsy mahay mitahiry intsony.

Ny fomba ialana amin'ny trosa

Raha vao misy trosa dia banga avy hatrany ny vola miditra amin'ny volana manaraka. Izany hoe ny vola azonao amin'ny hoavy dia efa nisahana ny fandaniana teo aloha avokoa. Tena sarotra tokoa ny miala amin'ny trosa, indrindra moa fa raha tojo fahasahiranana tampoka ny mpindrana.
Andeha ary hiezaka tsy hanao trosa intsony. Ireto misy torohevitra vitsivitsy mety hanampy anao :

  1. Mahay mionona amin'izay eo an-tanana, eny fa na misy zavatra tiana ho vidiana eo no ho eo aza ;
  2. Mahay mitsitsy ;
  3. Mifantoka amin'ny tetik'asa ahafahana manodim-bola, ka izay eo an-tanana ihany no ampitomboina ;
  4. Raha miasa amin'ny orinasa tsy miankina dia tsara raha sady manao vadin'asa ;
  5. Raha sendra very asa dia tsy mifidy asa atao na tsy mifanaraka amin'ny diplaoma aza.
Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo