• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © 1Min30
Image
Asa & Fianarana

Entretien : Ireo fihetsika sy toe-po tokony hananana

11/01/2023 08:52 © Moov.Mg

Zaraina aminao anio ireo fihetsika sy toe-po tsara hanana rehefa hiatrika Entretien.

Miteraka tahotra hoan’ny olona iray matetika izany hoe hiatrika « entretien d’embauche » izany. Miankina betsaka amin’ny toe-po sy fihetsika anananao mandritra io fotoana io anefa ny mety ahavoaray anao na tsia amin’ilay asa tianao. Fantaro fa mila fiomanana ny fiatrehina entretien. Indreto misy torohevitra tsara fantarina momba izany.

Manaova fikarohana mikasika ilay orinasa

Tokony atao ny manao fikarohana mikasika ilay orinasa izay hanaovanao entretien. Fantaro ny sehatra misy azy, ireo hetsika sosialy maro samihafa efa notohanany na efa nosahaniny. Tsara fantarina ihany koa ireo orinasa izay efa niara-niasa taminy, sy ireo miara-miasa akaiky aminy. Ho hitanao fa ho mora kokoa ho anao ny miatrika ireo mpanadina rehefa fantatrao ny mombamomba ny orinasa izay hampiasa anao.

Fantaro ireo asa tokony hiandreketanao

Matetika dia efa voasoratra anaty ny filazana tolotr’asa ireo andraikitra isan-karazany tokony ho iantsorohanao. Tsy tsara anefa ny mitoky amin’ny tenanao irery ihany, eny na dia heverinao ho asa efa voafehinao aza ireo voasoratra anaty ny tolotr’asa ireo.
Aza misalasala manao fikarohana lalina kokoa momba ny asa izay tokony hiantsorohanao, ary avaozy ny fifehezanao izany. Izany dia hanampy anao hanehoana amin’ireo mpiadina fa voafehinao tanteraka ny asa.

Tongava ara-potoana

Zava-dehibe ny fanajana fotoana. Na eo amin’ny sehatry ny asa izany na ny fiainana andavan’andro mihitsy. Ny fanajanao ny fotoana nomena anao dia anehoanao sahady ny fanajanao ny olona izay hananao fotoana. Noho izany, fadio dia fadio ny fahatarana rehefa hiatrika « entretien ». Aleo tonga adin’iray mialoha toa izay tonga 15 minitra aorian’ny fotoana nifanomezana. Raha azonao atao dia fadio ireo toerana izay hitrangan’ny fitohanan’ny fiara matetika rehefa miainga any antrano ianao.

Fantaro ireo fihetsika tokony hananana

Alohan’ny hidirinao ao amin’ny hefitra voatokana hiatrehanao ireo mpiadina dia aza adino ny mamono ny findainao. Mandritry ny entretien dia :
-Fadio ihany koa ny miolakolana rehefa mipetraka eo ambonin’ny seza ianao. Mipetraha mahitsy tsara.

Aza apetraka amin’ny latabatra ihany koa ny tànanao.

Aza variana mijery ambany fa jereo amin’ny mason’ireo mpanadina anao.

Fadio ny miteny mora loatra fa mahakizitina ny mpanadina izay ary mampibaribary ny tsy fahatokisanao tena.
Izay indray aloha ny toro-hevitra omen’ny Moov.mg anao anio. Aza misalasala mitsidika ireo pejy maro samihafa fa maro ireo toro-hevitra natao ho anao ao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo