Mahay nefa tsy mety misongadina ao am-piasana : ‘ndeha ho resaha
Ao anatin’ny orinasa maro dia tsy ampy ny fahaizana raha te hahazo fankasitrahana. Misy karazana mpiasa tena mahay, miasa tsara sy amim-pahendrena… nefa zara raha tsikaritra. Zavatra tena misy matetika tokoa ny hoe mahay nefa tsy mety misongadina eo amin’ny asa ary mety hisy fiantraikany amin’ny fivoaran’ny asa mihitsy aza. Araho eto ny andinindininy mikasik’izany
Mahay nefa tsy dia miseho loatra
Maro tokoa ny mieritreritra fa miteny ho azy ny asa vita tsara. Amin’ny tontolon’ny asa ankehitriny nefa dia mitovy lanja amin’ny fahombiazana na ny fahaiza-manao ny « visibilité » na ny fisehoana. Ny mpiasa iray manao tsara ny asany, amim-pahanginana sy tsy miseho, dia sarotra ho voamarika raha oharina amin’ireo mpiara-miasa aminy izay mahay mampisongadina ny tenany. Noho izany, tena zava-dehibe ny fanatanterahana tsara ny asa, saingy tsy ho tsikaritra izany raha tsy ahasongadina kely.
Ny antony mety mahatonga ny mpiasa mahay tsy hisongadina
Misy antony maro mety hahatonga ny mpiasa mahay hijanona ho takona na tsy tsikaritra ao amin’ny toeram-piasana :
-Ny fananana toetra mangina. Izany hoe tsy tia miseho na misongadina,
-Ny kolontsain’ny orinasa. Misy amin’ny toeram-piasana sasany dia ny zavatra hita maso ihany no omena lanja,
-Ny tsy fahampian’ny fifandraisana. Tsy mizara ny zava-bita sy ny anjara biriky amin’ny hafa izay heverina ho tsy fandraisana andraikitra,
-Ny asa be loatra. Matetika omena andraikitra maro ireo olona mahavita tsara, ka tsy manam-potoana haneho ny asany.
Ny mety ho vokany amin’ny fotoana maharitra
Mety hiteraka olana maro ny tsy fisongadinana amin’ny asa:
-Kely kokoa ny « opportunités » hisondrotana amin’ny asa,
-Tsy fahazoana fankasitrahana,
-Fahatsapana tsy rariny sy fahakiviana,
-Fijanona amin’ny toerana iray na dia mahay aza.
Amin’ny farany, mety hiteraka tsy fahavononana hiasa na faniriana hiala amin’ny asa mihitsy izany.
Ahoana no hivoahana amin’izany toe-javatra izany
Tsy voatery hiova toetra tanteraka raha te hiala amin’io tsy fisongadinana amin’ny asa nefa mahay io. Afaka manao dingana tsotra.
-Mizara ny vokatra azo: milaza ny zava-bita mandritra ny fivoriana na atao an-tsoratra,
-Manoratra sy mitahiry ny asa vita: mampiseho mazava ny anjara biriky amin’ny vokatra tsara azo ao amin’ny toeram-piasana,
-Miteny amin’ny fotoana ilaina: mizara hevitra, na dia fohy aza,
-Miara-miasa amin’ny hafa: miditra amin’ny tetikasa samihafa,
-Mangataka fanehoan-kevitra: manampy amin’ny fifanakalozana sy fanatsarana.
Tsy tokony atao an-tery na amim-piatsaraham-belatsihy ny fampisongadinana ny tena amin’ny asa. Ny tanjona dia ny mba hahitan’ny hafa ny asa tsara vita sy ny mba ho tsikaritra araka ny tokony ho izy.



