Tantara indray miseho : Ondry botry
Mandray karama sady mananjo hiala sasatra ny mpanampy an-trano. Izaho kosa, mpanompon'i dadatoa sy nenitoa : varimasaka no karama sady miasa mihoatra lavitra noho ny omby.
Aza manody ny tsy manan-dray aman-dreny na manan-dray aman-dreny adala. Izao efa ho telopolo taona izao aho vao mba manomboka mahita masoandro mihiratra. Hatramin'izay mantsy, nandoro ahy fotsiny ingahibe masoandro fa tsy mba nanilo ny lalako.
Kamboty velon-dray aman-dreny
Mianadahy izahay no iray tampo, izaho no faralahy. Mamolava i dada ka tsizarizary teny foana ny fiainanay. I neny rahateo sady malefaka no mora marary ka tsy nahavita asa be namelomana anay. 10 taona aho dia nodimandry ny reniko. 15 taona i zokivavy tamin'izany ka avy hatrany dia namidin'i dadanay tamina lehilahy mpanakarena efa nahazoazo taona teo an-tanàna. Reko aloha fa miadana ihany izy any amin'izay misy azy, saingy tsy mba nihaona tamiko intsony izy hatramin'izao.
Izaho kosa niafy tao amin'i dada nandritra ny herintaona, saingy noho ny rendrarendrany dia nanapa-kevitra izy fa tsy hitaiza ahy intsony. Nalefany tany amin'i dadatoa sy nenitoa aho.
-Tsy vitako intsony ny mitaiza an'ialahy letsy e. Sady bandikely matanjaka tahaka izao ve ialahy dia hiandry ho toloran-kanina fotsiny ato ?
-Dada a, mila anao anie aho e, aleo re aho mba hiverina hianatra
-Tsy mahavita aho e, aiza no ahitako saram-pianarana ho an'ialahy ? Ny hanina omena an'ialahy isan'andro ato aza efa tena mandany ny volako !
-Dada àry manambola koa, angaha moa tsy namidin'i dada ny tanimbolin'i neny ?
-Mangina eo ialahy fa resak'olondehibe izany. Entiko any amin'i razokilahy ialahy rahampitso.
Toerana tsy lavitra ny renivohitra ny nisy an'i dadatoa sy nenitoa. Manan-janaka telo mianadahy izy ireo, ary metimety mihitsy ny fiainany raha ny trano sy ny fiara fotsiny no jerena. Tamin'ny voalohany dia tsara fandraisana ery izy mivady.
-Inona no vaovao r'izy mianaka a ? Tena izao indray vao nihaona taorian'ny nahafatesan'i Vony…
-Sahirana razoky a. Ikalaoly efa iny lasa nanambady iny, fa Ikotokely zao ity no mba ilàko fanampiana aminareo e
-Ka ho aterinao hipetraka aty izany izy ? Inona moa ny olana fa ny trano ato malalaka anie e
-Izay indrindra razoky a, ankiniko aminareo Ikotokely fa tsy vitako intsony e
-Aza matahotra ingahy fa raisinay toy ny zanakay izy e, hianatra sy hivoatra mihitsy izy aty.
Toa nisy hafaliana tsy omby tratra tato anatiko naheno ilay hoe "hianatra". Toa nanofinofy ery aho hoe ho lasa mpitsara ihany izany. Indrisy nefa, minitra vitsy taorian'ny nanaovako veloma an'i dada dia nirodana ny fanantenako. Ondry very aho kay.
-Mandehana ialahy misasa sy misolo akanjo fa masiso. Misy mpanampy ao hanapaka ny hohon'ialahy sy hitondra an'ialahy any amin'ny mpanety, sao mamindra haofotsy ato mantsy !
Teny an'avona no azoko tamin'i dadatoa sy i nenitoa vao dify i dada. Mahafinaritra tokoa ny madio sy mba manao kapa, saingy navahana tanteraka aho : tsy mba zanaka an-trano fa kamboty velon-dray aman-dreny. Nanantena hahazo ray aman-dreny vaovao kinanjo inona no teo ? Ny raiko niteraka ahy aza moa tsy mahazaka ahy.
-Mamelara kidoro eo akaikin'ny fandrian'i Bozy ialahy. Iretsy akanjon'ankizy efa tsy anaovany ireo izany no isoloan'ialahy. Mandehana matory fa betsaka ny raharaha ho ataon'ialahy rahampitso.
-Fa rahoviana izany aho no hiditra hianatra ry dadatoa ? Sa mbola miandry kely vao mampiditra mpianatra vaovao ny sekoly aty ?
-Iza koa no hampianatra an'ialahy ? Tsy ho an'olona tambanivohitra sy tsy mahay n'inon'inona toa an'ialahy lesy ny lakilasy a. Nanapa-kevitra hiompy kisoa aho mba hampitomboana ny fidiram-bolako, ka ialahy no miandraikitra ireo biby ireo.
Latsaka ny ranomasoko, ary naleoko natory. Lamba somary manify izay no mba nomena ahy nirakofako. Tsy nampaninona ahy nefa fa tsy ampahafirin'izay efa fahoriako tany ambanivohitra izany. Mikasika ny sakafoko, tsy mahazo miray latabatra amin'izy ireo aho fa nampiarahana tamin'i Beby mpanampy.
-Mifohaza amin'izay ialahy dia andao handray ireo kisoa, fa efa tonga ao ireo mpanatitra
-Fa kisoa firy izany ry dadatoa no ho karakaraiko ?
-Aza be fanontaniana eo fa andao ho'aho.
Kisoa salasalany miisa 5 no natao tamin'ilay tranon-kisoa efa nomanin'i dadatoa. Nanomboka teo dia feno ny fandaharam-potoanako. Izaho no manangona ny ambin-tsakafon'ny hotely amin'ny atoandro sy hariva ka manome ny hanin-kisoa. Matetika aho no mandeha an-tongotra lavitra dia lavitra. Tsy azo adinoina ny manadio ny tranon-kisoa sy ireo biby ireo. Mbola anjarako ihany koa nefa ny mamafa ny tokontany manodidina sy mikarakara zaridaina. Ny sakafo nefa tsizarizary.
Kamboty arovan-janahary
Toy ireny zanaka mpandroaka fako ireny ny paoziko. Na misolo akanjo isan'andro aza aho maloto sy maimbo foana satria miara-mihosina amin'ny kisoa. Ao ambadiky ny tranon-kisoa ny fiafenako satria tsy te hifanena amin-dry Dadatoa isan'andro aho. Mihomehy sy mandatsa hatrany mantsy izy ireo rehefa mahita ahy.
-Tena marary aho ry Beby, tsy afa-miarina intsony. Manaintaina be ny vatako manontolo, mafy izany ondry mikarakara kisoa e !
-Sotroy aloha ity dite mafana ity àry, dia miezaha matory fa mbola alina be ny andro. Mbola hiasa anie ianao rahampitso e
-Tsy vitako intsony Beby a, herintaona izay. I dada tsy mba nitsidika ahy akory. Zaza vao 12 taona aho nefa dia mpiasan'olona an-tsitrapo sahady
-Tena mampalahelo ise, izaho aza anie efa mba manampy kely ny sakafon'ise e. Fa ho voaroaka ato koa aho raha tratra amin'izany. Hano aloha ity yaourt ity dia ho hita eo izay ho atao
-Aleo aho hitsoaka ry Beby a, dia tsy hisy olona tsara fanahy handray ahy ve any ho any ? Izaho koa nefa ity tsy manana na dia kopia aza
-Azo heverina izany, saingy mila mandeha lavitra ise. Aleo àry fa hanampy an'ise aho e.
Nitsangatsangana ry dadatoa mianakavy ka niainga maraina be ny ampitso. Nisavasava kely ihany koa ny aretiko. Nomen'i Beby vola iray alina ariary aho, nataoko saran-dalana sy vatsy.Nentiko ny kitapokely nisy akanjo vitsivitsy ka lasa aho. Tsy nanana toerana aleha, fa dia lasa fotsiny.
-Ho aiza i zandry ?
-Ho any Antananarivo
-Fa maninona no mandeha irery ? Eny e, tsy misy olana fa aloavy ny frais àry. Ataoko 3 arivo ny an'ialahy dia miakara.
Nandeha lalana adiny roa teo ho eo ny taxi-brousse nitondra ahy. Teo Antohomadinika no hoe faran'ilay fiara, ka eo hono aho no miala. Izay aho ho'aho vao tena very. Rehefa niala, atoandrotoandro tokony tamin'ny 11 ora, nahatsiaro noana aho ka niditra hotely kely izay. Nahay namaky teny aho mantsy ka fantatro hoe mahazo vary sy laoka ny 2 000 ariary. Iny aho hiditra iny nefa no nisy rangahy teo ho eo amin'ny 50 taona nianjera teo alohako. Taitra mafy aho ka niezaka nanontany sy nanarina azy.
Kamboty nasondrotry ny vintana
Nisava tampoka teo ny hanoanako. Variana teo amin'ilay rangahy lehibe aho. Nitangorona ny olona nefa tsy nisy nitsetra akory. Natolotro ilay vola 2 000 ariary saika nividianako vary teo, ka nanaiky nampiditra ilay rangahy tao amin'ilay hotely kely ilay mpivarotra. Niala tsikelikely ireo olona.
-Soa fa nanambola ividianana zavatra ialahy. Toa metimety mantsy ity rangahy nianjera ity ka saika hanendaka azy ny ankamaroan'ireny olona nitangorona ireny.
-Fa raha tsy nanambola ve aho izany dia tsy mba nitsetra ity olona ity ianao ?
-Tsy izany kosa e.
Nahazo aina ilay rangahy rehefa nisotro ranomboankazo. Ny mosara tety amiko no nolemako tamin'ny ranon'ampango namafako ny tarehiny somary naratra.
-Inona no azoko atao hanampiana anao ?
-Misaotra betsaka aloha namonjy ahy. Adinoko ny satroko ka tsy zakako ny masoandro mingaingaina.
-Tokony entina any amin'ny dokotera ve ianao ?
-Tsy maninona aho r'ise ah !
Varian-dresaka teo izahay mianaka. Nividianany sakafo mihitsy aza aho satria nitaraina noana. Nanaiky nampiantrano ahy ihany koa ilay rangahy, satria sady tsy manan-kavana hono izy no tsy manan-janaka. Somary natahotra ihany aho nanaraka olon-tsy fantatra, saingy tsy nanan-tsafidy satria nitady tafo nanitrihana ny lohako aho. Nandeha fiara karetsaka izahay niala teo amin'ilay toerana. Lavitra ihany no naleha satria somary niakatra teny amin'ny toerana avo. Nandalovanay ny Rovan'i Manjakamiadana mantsy. Trano biriky misy rihana iray no nidiranay. Tsy mba trano tsotsotra nefa fa irony tena raitra ireny. Voaravaka voninkazo maroloko ny tokontany.
-Mandroso r'ise ah, izao no ato amintsika mianaka
-Tena tsara tokoa ny tranonao ramose. Aleo re aho mba hipetraka ato, na dia hiandry ny tanànanao fotsiny aza. Afaka manondraka voninkazo sy mamafa tokontany koa anie aho e
-Ise zazakely io ve dia ho ampiasaiko ? Koa tsy rehefa avy eo ihany aho dia higadra ? Aza manahy foana ise, ho raisiko toy ny zanako ise. Aza antsoina hoe ramose izany aho e !
-Na ny havako aza anie tompoko tsy mba nahafoy rano iray kaopy ho ahy raha tsy avy miasa ho azy ireo aho, ka fomba ahoana moa no hihinanako fotsiny ato aminao ?
-Ataovy ho toy ny pi-mason-janahary izao nihaonantsika mianaka izao ...
15 taona izay no nipetrahako tato amin'Ingahy Ndriana. Mpanakarembe tokoa izy, sady tena tsara fanahy. Tsy ory na inona na inona aho, na ara-pitiavana na ara-pitaovana. Nanana olana tamin'ny havany izy sady tsy mba nanambady ka nitokana efa hatry ny ela. Nanohy ny fianarako aho ary tena lasa lavitra tokoa. Tena tsy fampitaha tamin'ny raiko nahitako masoandro sy ireo havako io rangahy io. 27 taona aho izao, ary efa nahavita ny fianarako lalàna.
-Mandrosoa ny manan-draharaha manaraka … Andriamatoa Rabezamanana, voalaza ianao fa nanodikodina volan'ny mampiasa anao, sady voarohirohy amin'ny fivarotana entana halatra nandritra ny taona maro.
Nivandravandra be ilay rangahy, toa nibanjina ahy. Nojereko tsara, nodinikiko ambony ambany, nandalo tato an-tsaiko ny fahatsiarovan'ny asan'ny fahazazako : tena i dadatoa. Tena izy tokoa na dia lasa nahia sy somary ratsy akanjo aza. Toa tsy nahateny izy fa nipatrapatraka ny ranomasony.
-I Kotokely, i kotokely ve ianao tompoko ?
Tsy namaly aho. Taty amiko avokoa ny mason'ireo mpitsara sy mpisolovava namako. Nangina be ihany koa ireo mpanotrona.
-Mifona aho leitsy, mifona i dadatoan'ialahy. Raha mba nanao fitondrana marina tamin'ialahy aho mety tsy ho toy izao ny fiainako. Izao aho ity higadra. Mbola handalo ho tsaraina eo ihany koa ilay lahimatoako noho ny fidorohana zava-mahadomelina. Mifona leitsy ah
Tsy afaka nanao fitsarana mitanila aho, satria mpampihatra lalàna no asako. Tamin'iny andro iny, izaho no nanao sonia ny taratasy nampidirana am-ponja an'i dadatoa sy ny zanany lahy. Rehefa nivoaka aho dia nantona ahy moramora i dada sy i nenitoa. Nifona tamiko ihany koa izy ireo sady toa niangavy ny hamitra-pihavanana. Tsy nitazona alahelo tamin'izy ireo aho, saingy efa manana ny raiko vaovao aho : Ingahy Ndriana. Boribory tokoa ny tany, mivadibadika ny fiainana, ny ambony mety ho lasa ambany. Ny azoko ambara angamba dia hoe : aza atositosika ny ondry botry fa tsy fantatra izay hanao kambana !