• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Revue Etudes
Image
Tantara

Tantara gasy indray miseho : Zanaky ny alina

24/02/2025 10:49 © Moov

Ny alina no tiako indrindra. Rehefa maizina mantsy ny andro, mihavitsy ny olona mifamezivezy ka tsy misy mifampijerijery intsony. Mba olona aho rehefa alina ny andro : tsy misy mahatsikaritra ny fitafiako misy rovitra sy ny kiraroko efa lany ila. Toa mitovy amiko ireo maka sisisisiny eny an-dalana eny : samy mitafy harona plastika no mitafo lavitra. Zanaky ny alina aho.

Zanaky ny alina resin'ny fiainana

Mba olona aho rehefa alina : toy ny rehetra. Ny haizina no manarona ny lotoko sy ny fahantrako. Toa mba mahafinaritra ery ny fiarahamonin'ny Zanaky ny alina. Matoa mantsy mirenireny eny an-dalambe eny amin'ny andro maizina dia samy tsy afaka misitraka fandria-mafana : na mitady vola na tsy manankialofana.
-Eh ! Tsy mila makamaka zavatra eo ialahy. Fakonay ny eto !
-Aleo lesy aho ry zandrikely mba haka amin'ireto fa tena noana ah !
-Fa vaovao ety angaha ialahy ? Makà àry, fa kely ihany dia miala an
-Dia mba omeo toerana kely eto amin'ialahy isany eto aho mba hatoriako fa tena mampatahotra be anie ety e
-Eny e, fa ety ivelany ialahy fa tsy mitsofoka ao amin'ny tranobaoritranay an !
Bandikely roalahy mpitsimpona fako no mba namela ahy haka sakafo teo amin'ny fako sady namela ahy hatory teo amin'ny zorin'ilay dabapako. Tsy maintsy niaretako izany satria maty i neny, ary nanilika ahy avokoa ireo havana rehetra. Voatery nitady fialofana hafa nefa aho satria nitarika ahy hanendaka sy hangaro-paosy izy roalahy ireo.
-Mbola tsy nahita sakafo indray ialahy ? Jereo nefa ny anay vary sy henakisoa manitra be ! Mba ampiasaina lesy ny coco fa tssss… Iza no hanakarama an'ialahy amin'ity loto ?
-Izaho kosa lesy tsy hangalatra izany a, tsy nampianarin'i neny ahy izany na dia tsy mivavaka aza izahay
-Dia iareto eto ny an'ialahy koa.
Niakatra teny Faravohitra teny aho. Somary mangingina eny no mba misy zoron-drindrina maromaro azo ipetrahana tsara. Tsy afaka nanagana tranokely kosa nefa satria lalan'olona no itampifiana amin'ny alina. Mba nahita asakely teny ihany aho ny maraina, ary mangataka rehefa atoandro. Nisy ramatoabe tsara fanahy niantra ahy teny amin'ny manodidina ka nantsaka rano sy nanadio ny tokotaniny aho isa-maraina. Raha atontaly dia eo ho eo amin'ny 2 000 na 2 500 ariary ny vola azoko isan'andro, ka izay no ividianako sakafo. Mba manome dite sy mofo kely ramatoabe amin'ny maraina ka sakafo atoandro sy hariva izany no tena ampiasako ny karamakely sy ny vola azo amin'ny fangatahana. Rehefa metimety ny tsena dia managona kely ividianana akanjo sy lamba fitafy. Tsy afaka mividy zavatra betsaka nefa satria tsy hita izay ametrahana ny entana. Izay mipetrapetraka eny rahateo misy mangalatra.
Tojo fahasahiranana tanteraka aho rehefa maty i ramatoabe. Enimbolana teo ho eo no niasako taminy dia nindaosin'ny fahafatesana izy. Tsy niraharaha ahy ireo zanany sady tsy mba nety nitalahoana asa. Niverina nitsimpona fako indray aho, sady nanangona fatina plastika sy korotamby. Namatsy ireo mpivaro-tavoahangy sy nivarotra vy aho. Reraka ny tongotra mandeha foana satria tena voatety avokoa ny teto an-drenivohitra. Tena zanaky ny alina tokoa moa satria rehefa maizina iny no tena fangalana ireo fako mbola azo varotana. Misimisy kely kosa nefa ny vola azo satria eo ho eo amin'ny 3 000 ariary farafahakeliny.
-Ary mba sasao tsara ireto tavoahangin'ialahy ireto fa tsy raisinay raha vao misy pempo na efa ratsibe !
-Tena mandeha lavitra be indray anie aho vao mahita rano mandeha azo anasana an'ireo e ! Mba raiso amin'ireo moa fa na izaho aza anie tsy mahita rano isasana e !
-Ka ahenako izany ny volan'ise androany fa izaho aza mbola hanakarama olona hanadio an'ireo.
Rehefa hatory iny aho dia misento kely, mahatazana ireo fiara raitra mandalo. Rahoviana re vao mba hanana asa mahavelona, hanana trano tsara sady mba ho toy ny olon-drehetra e ? Nofinofy ihany izany, nefa nisy fanantenana kely ihany tato anatiko. Mbola tanora aho sady azo lazaina fa matanjaka. Tsy ampahafirin'ireo rangahibe efa osa aho, hoy aho mibitsika amin'ny tenako ihany.

Zanaky ny alina niposahan'ny masoandro

Mihorohoro tanteraka aho rehefa manomboka mahita tara-pahazavana. Manaboridana ny fanahiko ny masoandro miposaka : hitan'ny rehetra ny fahantrako sy ny lotoko. Tsy takon'ny fitafiako manify sady misy rovitra mantsy ny hanoanan'ny vatako.
Indray maraina izay nefa, tsy navelan'ny hazavana ho menatra aho.
-Vonjeo e, vonjeo fa mpanendaka !
Dia iny aho tafatsangana tampoka, nahery toy ny tsy noana. Nandeha irery vao mangiran-dratsy ilay tovovavy ka nararaotin'ilay olon-dratsy. Tsy nampoizin'ilay ranamana hoe haiko tsianjery avokoa ny elakelan-trano eto Antananarivo sy ny manodidina. Azoko soa aman-tsara ihany ilay poketra, satria somary variana nanokatra azy ilay ranamana no nosintomiko tampoka ilay izy. Soa ihany fa nisy olona maromaro nandalo ilay lalankely ka tsy afaka naninona ahy ilay olona.
-Aza mitomany intsony fa ity ilay poketranao teo, jereo tsara aloha hoe nisy zavatra lasany ve
-Tena misaotra ramose a... Tena lasany ihany angamba ilay vola saika ataoko frais teo, sa latsaka ve ?
-Noheveriko fa tsy naharay n'inon'inona izy ka. Fa mety latsaka tokoa angamba ilay volanao
-Dia ho aiza aho izany … Tena lavitra be ny lalana alehako tsy ho vitako andehanana tongotra … Sady izaho vahiny ety dia tsy mahita lalana firy...
Nieritreritra kely teo aho. Toa tsy zakako ny nahita azy nifokofoko nitomany. Natolotro azy ilay 600 ariary saika nividianako sakafokely.
-Sao mba tsy mety izao ramose ? Tena volabe aminao anie ity e, sady mety noana mafy izao ianao
-Raiso re fa mitady indray aho. Izaho anie mba misy manome foana ihany e, dia mba anjarako indray no manolotra androany
-Eny ary e, misaotra indrindra. Omeko anao ity thermos kely misy dite ity mba ho sotroinao androany maraina, sady ilainao foana iny thermos iny e.
Nitsiky kely izy dia lasa. Tsy voadiniko tsara akory ny endriny satria miondrikondrika aho, menatra noho ny lotoko. Tena niasa tamiko tokoa ilay thermos kely satria mba nanana rano mafana teny foana aho. Dia nitohy teny indray ny fiainako. Nifandimby teny ny andro sy ny volana ka nivadika taona. Mba nandeha ny fibatana entana sy ny fikaramana madinidinika ka efa mba nanana fitafiana maromaro sy kiraro mba metimety aho. Nahita trano rava ihany koa aho ka tao no nisitrika. Tsy voakarakaran'ny tompony intsony io tanàna io, ka zarany aza mba nisy ahy niambina tao. Tsy karamaina aho na izany aza. Zarako aza mantsy manana toerana ipetrahana sady manana rano isasana. Kitapo kely izay no tsy mba misaraka amiko, itondrako ilay thermos kely sy fitaovana kely ilaiko. Indray atoandro, variana loatra aho satria tsy nahita karama mihitsy ka saika voadonan'ny fiara.
-O ramose a, mba mijere lalana fa variana loatra ianao izany. Mba makà sisiny farafaharatsiny dia mijere tsara vao miampita
Tezitra mafy ilay madamakely ka naka sisiny mihitsy sady namono motera. Nifona teo moa aho. Gaga nefa aho fa tsy niala tany amin'ilay thermos ny masony.
-Taiza ramose no nahazoanao iny thermos iny ?
-Nisy nanolotra ahy izy ity, taona maromaro lasa izay
-Ianao izany ilay namonjy ahy indray mandeha iny, tsaroako tsara mantsy fa fanomezana nomen'ny raiko ahy izy iny.
Dia variana niresaka teo izahay. Izay aho vao tena nahatraka nijery azy. Tena zana-javatra izany ravehivavy. Tsy mba niavona akory izy nahita ity izaho mavomavo, na dia somary nisy fivoarana kely teny ihany aza.
-Mitady asa izany ianao io sa inona ity mampanjonitra anao ?
-Mitady karama mihitsy aho io, nefa tsy nahita mihitsy hatramin'ny maraina. Hainao ihany fa ny azo androany no tadiavina androany e
-Miakara re ato anaty fiara dia andao ianao hoentiko hisakafo aloha, dia eny an-dalana tohizana ny resaka.
-Izao lotoko izao ve madamakely no hiakatra ao anaty fiaranao, sady hotely iza no mety hampiditra ahy hisakafo ao aminy
-Miakara re fa aza be resaka eo. Aleo ianao àry aloha entina any an-trano omena fitafiana madio dia ho hita eo ny tohiny e.
Lapabe no nidirako, nefa tsy sahy nanala kiraro akory aho fa maloto mantsy ny tongotro ao anatiny. Tsy nanery ahy hanala kiraro rahateo ilay madamakely. Natorony ahy ny trano fidiovana ka Nomeny ahy ny savony, ny borosy ary ny fanalana hoho. Jogging ambony ambany sy T-shirt no natolony, niaraka tamina kapa iray. Toa mba olona ery aho rehefa madio sy manitra tsara.
-Dia inona izao no nahamenatra anao teo, tovolahy tsara tarehy toy izao ihany ianao
-Ka tsy hita anie madamakely e, mahantra ny tena ka na ny misasa tsara aza toa tsy vita
-Mipetraha misakafo dia aza mihafahafa
-Fa ianao irery angaha no ato amin'ity tranobe ity no toa mangina be ato ?
-Mandalo fotsiny aho eto Madagasikara, fa trano fivantananay mianakavy izy ity
-Sambatra re ianao madama, hay ve izany no tsy nahitana anao nandalondalo teny Faravohitra intsony e
-Izany indrindra. Fa aiza izany ianao io no mipetraka ?
-Misy trano rava izay no mba ipetrahako sy ambenako ao. Taloha aho no tena nitafo lanitra fa izao efa mba manan-kialofana e !

Zanaky ny alina azavain'ny kintana

5 taona aty aoriana, mbola zanaky ny alina aho. Ny alina ihany no tiako indrindra. Mbola ankafiziko foana ilay kintana manazava ny tontolo, hitazatazanako ny manodidina. Alim-podiana lava aho satria mbola mamangivangy ilay fonenako taloha sy ny mponina ao aminy.
-Allo ? Manao ahoana ianao izao ?
-Salama tsara madama ah. Tena mankasitraka fa avotra e. Andriamanitra anie hamaly soa anao
-Tsy misy isaorana r'ise ah. Fa mandroso tsara ve aloha ny asa fanamboarana ao e ?
-Mbola misimisy ihany saingy mandroso tsikelikely eo.
-Miezaha mafy fa izaho koa moa aty somary sahirana dia tsy afaka mandefa fanampiana
-Tena efa betsaka re no vitanao madamakely a. Aza manahy ianao fa efa tena miasa e
-Tsara izany, miantso eo foana aho manontany vaovao. Mirary soa indrindra.
Tena nanampy be ahy ilay madamakely taorian'ilay fihaonanay, na ara-pitaovana na ara-bola. Nasainy nijanona tany aminy aho nefa nandà satria mba nanana ny akanikely fialofako, sady mila ambenana rahateo ilay tanàna. Tsy namelany moa raha tsy hitany ilay toerana nonenako, ka nifampiraharaha tamin'ilay tompon-tanàna izy. Novidiany ho ahy ilay tanàna, nefa anjarako hoy izy ny manao ny asa fanamboarana rehetra. Efa tena fahasoavana lehibe ho ahy ny manana trano ialofana, na dia mbola asa madinika ihany aza no ataoko. Ny vola rehetra azoko dia sady miantoka ny fiainako no anilihako kely nanamboarana ilay trano. Mpivarotra "friperie" aho izao satria misy naman'i madamakely mba manome entana mora ho ahy. Ireo entana tsy lafo sy somary tsy dia tian'ny mpividy dia atolotro ireo namako mbola sahirana sy tsy manan-kialofana.
5 taona aty aoriana, efa manambady aman-janaka aho. Reny tokantena niangaran'ny vintana no tafara-dalana tamiko. Roa izao ny zanakay, ka ilay vao amam-bolana no zaza itambaranay. Tsy miangatra amin'ilay zokiny aho na izany aza satria efa noraisiko ho toy ny zanako mihitsy izy. Mampita amin'ireo manodidina ahy aho mba hazoto hanampy ny hafa foana na dia kely aza ny eo am-pelatanana. Tsy azo atao ihany koa ny mangalatra na dia noana mafy aza. Ny soa atao tokoa levenambola !

Lire la suite

Articles Similaires