• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Vohimana
Image
Madagasikara

Vohimana : toerana mambabo ireo mpankafy ny natiora

22/11/2023 16:43 © Moov.Mg

Maro tsy voatanisa raha ny isan’ireo toerana mahafinaritra, mahaliana sy manintona ny maso eto Madagasikara. Anisan’ireo nosy manankarena zavaboary ny nosintsika ka izany indrindra no itiavan’ireo mpizahantany azy. Ho an’ireo mpankafy ny natiora dia ny i Vohimana indray no ampahafantarina eto.

Vohimana, valan-javaboary miavaka sy mahaliana

Any amin'ny faritra Atsinanan’i Madagasikara no misy ny valan-javaboary Vohimana. Eo amin’ny 150 km miala ny renivohitra Antananarivo ary 13km atsinanan'Andasibe raha manjohy ny lalam-pirenena faharoa RN2. Mirefy 1 600 ha ny velaran'ity valan-javaboary iray ity ary ahitana karazana zava-maniry sy biby maro tsy fahita raha tsy eto Madagasikara irery ihany.
Anisan'ireo biby mahavariana ireo mpitsidika ny toerana ny tarondro lehibe indrindra antsoina hoe "Calumma parsonii". Toerana 4 ihany no ahitana azy ireny eto Madagasikara ka isan’izany i Vohimana. Tsy latsa-danja amin'izany ihany koa ireo Gidro izay tena mampiavaka ny nosintsika (miisa ho 11 ny karazany monina ao amin’ity valan-javaboary ity Vohimana).
Maro dia maro ihany koa ireo karazana zava-maniry tsy fahita raha tsy any an-toerana toy ny" fatrena " izay zava-maniry manana ny lanjany tokoa eo amin’ny sehatry ny raokandro. Voalaza tokoa fa manampy amin’ny fanalana ny ahitra amin'ny vehivavy avy niteraka ity zava-maniry ity.

Ireo zavatra azo atao eny an-toerana

Araky ny maha valan-javaboary an’i Vohimana moa dia ny fitsidihana ny toerana amin’ny alalan’ny dia-tongotra no isan’ireo zavatra azo atao ao aminy. Ireo mpankafy natiora moa izany no mahazo fahafinaretana amin’izany. Lehibe tokoa moa ny velarany ka mety maharitra ora maro ny fitetezana sy ny fitsidihana azy.
Ho an’ireo tsy mahavita mandeha tongotra mandritra ny ora maro dia tsy voatery mamakivaky ny ao anatin’ity alan’antsinanana ity rehefa mitsidika azy. Azo atao ny mandehandeha sy maka sary eo amin’ilay tetezana mirefy 99m eny an-toerana. Ahitana dobo filomanosana voajanahary ihany koa moa ao Vohimena ka afaka milalao rano eo ny mpitsidika rehefa tsara ny andro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo