• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Puits Eau Mali
Image
Madagasikara

Vahaolana manampy amin’ny fahatapahan-drano lava

01/11/2023 13:29 © Moov.Mg

Olana iraisan’ny tokantrano maro eto amintsika ankehitriny ny fahatapahan-drano. Misy moa ireo voatery mividy rano eny amin’ny paompy fatsakana nohon’ny tsy fisian’ny rano mandritra ny andro maro ao an-trano. Mba hialana amin’ny fahasahiranana ateraky ny fahatapan-drano dia ireto ary misy vahaolana maharitra azo tanterahina.

Manao lava-drano ao an-tokontany

Anisan’ny vahaolana afaka hiadiana amin’ny fahatapahan-drano lava ny fanaovana lava-drano ao an-tokontany. Mazava ho azy moa fa tsy ny toerana rehetra no afaka anaovana izany. Mila maka mpanao lava-drano efa za-draharaha mba hanatanteraka izany. Efa misy moa ny fomba ataon’izy ireo hijerena raha afaka mahazo rano ny toerana iray na tsia. Raha nahazo rano soamantsara moa ny lava-drano namboarina dia manana safidy ny tompon’izany, na hampiasa fanovozana sintomina tanana na ampiasa fanovozana mandeha motera. Miankina betsaka amin’ny enti-manana moa ny fanaovana izany.

Manangana siniben-drano

Hoan’ireo toerana tsy afaka anaovana lava-drano dia ny fananganana siniben-drano ao an-tokontany no vahaolana maharitra hiadiana amin’ny fahatapahan-drano lava. Izany hoe mividy siny lehibe iray ary apetraka amin’ny fitoerana ambony toerana hanangonana ny rano isaky ny mandeha ny rano. Rehefa tapaka ny rano dia io siniben-drano io indray no mamatsy rano ny ao an-tokantrano. Misy moa ny fitaovana « plomberie » manokana ampiasaina amin’izany mba hampiakarana ny rano sy hizarana izany indray amin’ireo paompy rehetra ao an-trano, na ny ao an-dakozia, ny trano fidiovana…

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo