Jasmina Ratsimiseta - Emile P., andrarezin'ny literatiora Malagasy
"Raha ho avy ralala ny taona hodiako. Ao ambanin’ny tany tsindrian-drangolahy. Ka vato no solo kidoro hatoriako" : Anisan'ny asa soratra tena hahafantarana an'i Jasmina Ratsimiseta ilay hoe "Rehefa maty aho". Nohirain'ny tarika Mahaleo mihitsy izany tononkalo izany.
Iza moa i Jasmina Ratsimiseta ?
Mpanao gazety sady mpanoratra fanta-daza i Jasmina Ratsimiseta, zanak'i Ratefiarivony sy Razafindrasoa. Teraka tamin'ny taona 1890 izy, ary nodimandry tamin'ny 1946.
Nanan-talenta tamin'ny fanoratana sy fitrandrahana ny literatiora Malagasy ny tenany. Orinasan-gazety maromaro no efa niasany, ka an'isan'izany ny "Tanamasoandro", "Ny Fehizoro", "Telegrafy" ary "Mifoha i Madagasikara". Nampiavaka azy tokoa ny fampifalifaliana sy fananarana ireo namany. Anisan'ireo teny filazany matetika ohatra ny hoe "Ny fahasalamana tsy an’ny tsy mahava-tena".
Noho ny fitiavan-tanindrazana niredareda tao am-pony, niditra tamin'ny sehatra politika ny tenany. Tamin'ny taona 1913 hatramin'ny 1916, nandray anjara tao amin'ny fikambanana Vy Vato Sakelika (VVS) izy, ka anisan'ireo nalefa sesitany tany Comores : gadra politika izany ny tenany. Sahy nifanandrina sy nifamaly tamin'ny vahiny mihitsy moa ny tenany, nefa tsy naningotra ny ainy izany. Azo lazaina fa nahatsara kokoa ny fijeren'ireo mpanjanaka ny lafiny maha-olona tamin'ireo voafonja politika moa ny tolona nataon'i Jasmina Ratsimiseta.
Fiainana maha-mpanoratra
Tafiaraka tany Comores, izany hoe samy gadra politika ny mpanoratra 3. Tsy iza izany fa i Jasmina Ratsimiseta (Emile P.), i Ramaholimihaso (Radium Rhosalis) sy i Arthur Razakarivony (Rodlish). Nikaon-doha izy ireo mba hanandratana avo ny literatiora malagasy.
Nanana solon'anarana maromaro i Jasmina Ratsimiseta, arakaraka ny karazan'asa soratra sy ny hafatra tiany ampitaina. Raha tantara na tononkalo mampalahelo ohatra, dia Emile P. na Trezan no solon'anarana ampiasainy. Raha miresaka fahafatesana indray, "Fantomas" na "Kintana" no apetrany eny ambanin'ny asa sorany. Mampiasa ny solon'anarana hoe "Palameda" kosa izy rehefa mahatsikaiky ny kanto atolony. Mbola maromaro ihany koa ireo solon'anarana samihafa hita tanaty boky na gazety isankarazany : Rakotobeloha, Belzaboba, Rebus, sns.
50 taona teo ho eo no nilona tao anatin'ny literatiora malagasy i Jasmina Ratsimiseta. Vanim-potoana 3 no tena niainany, dia ny fakan-tahaka, ny mitady ny very ary ny fitakiana fahafahana. Mbola nisy vanim-potoana naha-tsizarizary ny literatiora Malagasy ihany koa nefa, ny taona 1915 hatramin'ny 1922, izay somary nampangingiana ireo mpanoratra sy mpiangaly ny literatiora. Tsikaritra tamin'ireo asa sorany fa somary olona feno alahelo izay izy. Anisan'ny tara-kevitra tena novoiziny mantsy ny fahatsiarovana ny lasa, ny fahakambotiana, ny fahadisoam-panantenana sy ny fasana. Na izany aza, niezaka nankafy ny fiainany ihany izy, ka nanome lanja ny tenany amin'ny alalan'ny fihirana ny "izaho".
Rehefa maty aho
Nandritra ny Vanim-potoana fiforetana anaty (1922-1929) no tena nifantohan'i Jasmina Ratsimiseta tamin'ny asa soratra mikasika ny fahafatesana sy ny fasana. Nivoaka tamin'ny Gazety Telegrafy, tamin'ny 15 martsa 1927, ny tonkalo mitondra ny lohateny hoe "Rehefa maty aho". Heverina fa nanofinofy ny hatsaran'ny fiainana any an-koatra mihitsy ny tenany.
"Raha ho avy ralala ny taona hodiako
Ao ambanin’ny tany tsindrian-drangolahy
Ka vato no solo kidoro hatoriako
Dia izao re no zavatra ataonao ahy
Voleo voninkazo eo an-dohan’ny fasako
Fotsy sy mavo ary manga sy mena
Aleo haniry eo mandra-pifohako
Mba hanofisako 'lay fanekena
Ny fotsy fahadiovana
Misy aminao tsy mba azo lotoina
Toy ny horom-bato izay nifanaovana
Soratra velona tsy azo vonoina
Ny endrin’ny mavo no fofony manitra
Dia fivavahana ataoko any an-danitra
Mba hitsinjovany anao tsy ho irery
Ombany raha sendra tsy misy mpijery
Ny manga ho marikik’ilay fihafihana o
Niaraha-niaritra zava-mangidy
Dia 'lay andro namoizana ilay fifaliana
Niaraha-niharitra zava-tsy fidy
Ny mena ho mariky ny afo tsy maty
Mirehitra lava ao anatin’ny foko
Io lay fitia, fitia tena anaty
Fitia voa-kase sy voatomboka loko
Ny fasako ataovy ao andrefan-tanana
Ataovy mikasika ny ilan-kamory
Soraty eo ny tenin’ny fanantenana
Tsy maty aho akory fa mbola matory
Ny moron’ny rano voleo volotara
Jerijereo fa aza avela ho maina
Tarafo eo aho, ho tsinjonao tsara
Tsy miala eo aho raha tsy efa maraina
Na dia maty aza anie zany tenako be
Ka iraraka an-tany ny ra ao am-poko
Ny fitiavako anao ka mipetraka anie
Tsy mba ho faty tsy mba ho lo"