• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Henintsoa Rasolohery
Image
Madagasikara

Vady loloha na vady lova : Vadin-drahalahy ampakarina mba tsy hananontena

18/10/2023 11:06 © Moov.Mg

Fomba malagasy fahiny ny hoe rehefa maty vady ny vehivavy iray dia ny rahalahin'ny maty no mampakatra azy. Tsy vitsy ny foko nampihatra izany, ary tsy azo lavina fa mbola misy mampihatra izany ankehitriny, indrindra moa fa ireo any andrefana any.

Ny anton'ny "vady loloha"

Rehefa maty ny lehilahy dia sahirana ny vehivavy amin'ny famelomana ny ankizy. Taloha mantsy dia ny lehilahy ihany no mampidi-bola. Etsy ankilany, tsy te ho very taranaka ireo fianakavian'ny maty, raha toa ka hampodiana any amin'ny Ray aman-dreniny ilay vehivavy tokan-tena. Mety hanambady olon-kafa ity farany avy eo ka hanana fianakaviana vaovao na izy na ireo zanany. Izany antony lehibe roa izany no nahatonga ny "vady loloha". Raha mbola misy tsy manambady ny rahalahin'ilay lehilahy maty dia mampakatra ilay vady navelany. Azo adika ho fanajana ilay vehivavy maty vady ny fampakarana azy satria ny hoe "loloha" dia fanandratana na fametrahana amin'ny toerana ambony.
Na dia fomba aza ny "vady loloha", tsy voatery manaiky izany ilay vehivavy maty vady, indrindra moa raha tsy misy ny zaza ikambanana. Misy ihany koa ireo manapa-kevitra ny hijanona eo anatrehan'ny fianakavian'ny maty ihany, na tsy manambady izay rahalahin'ny maty aza.

Ny lafy ratsin'ny "vady loloha"

Noho ny fivoarana sy ny fidiran'ny fivavahana, tsy voahaja intsony ny ankamaroan'ireo fomba malagasy. Miha-malalaka kokoa ny vehivavy maty vady hisafidy izay ho tohin'ny fiainany. Misy kosa nefa ireo foko izay mbola tena sarotiny, ka mandidy ny maty vady hanaiky ny fampakaran'ny rahalahin'ny maty.
Marihana tsy vitsy ny nanana olana ny "vady loloha", indrindra raha efa nisy disadisa na tsy fifankazahoana tamin'ireo iray tampo teo aloha. Nisy ireo fianakaviana niahiahy fa nifandrafy ireo mpirahalahy ka ataon'ny iray izay hahafaty ilay iray manambady, mba hahazoana ny vadiny avy eo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo