• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Madagasikara

Moov Confidences - Volam-paty : Vola maloto sa tohana ho an'ny mana-manjo ?

13/10/2023 14:58 © Moov.Mg

Ny volam-paty dia ilay famangiana atolotra rehefa misy fahafatesana. Tsy vitsy ireo fianakaviana no tsy mandray ny valopy, fa na apetraka amin'ny tany, na arotsaky ny mpamangy anaty vatakely efa voatokana. Araka ny fomban'ny ankamaroan'ny Malagasy, tsy fitahiry ny volam-paty fa laniana mandritra ny fiandrasam-paty, ny fandevenana ary ny fisasana. Ho anay kosa nefa, nentina niatrehana adidy maro ny famangiana voaangona tamin'ny nahalasanan'i dada.

Fanavotana ny ankohonan'ny maty

Telo mianadahy izahay. 12 taona teo ho eo aho no maty i dada. Nisy olana goavana tao an-tokantranonay satria bevohoka i zokivavy (16 taona), nefa nilaozan'ny rain-janany. Mbola tsy fantatr'i dada io olana io tamin'ny fahavelony. Teo am-pikarakarana ny razana izahay no nivaky ny nanjo azy i zoky. Nitambesatra tamin'i mama loatra ny fahoriana, satria mbola kely ny zandrinay lahy : 5 taona. I mama moa tsy niasa satria nahavelona tsara ny vola nentin'i dada hatrizay. Rehefa nifanakalo hevitra teo izahay mianakavy kely, nampitraka i mama ka nampanantena fa tsy maintsy vitany izahay. Tamin'izany no nanapahany hevitra fa tokony alaina ny vola karaman'i dada ambiny any am-piasana sady hitsitsy tokoa izahay mandritra ny fahoriana. Na dia mafy aza ny fahoriana dia vitan'i mama ny nitsinjara ny vola niantsenana sy nampiasaina tamin'ny razana mbola am-bohitra sy tamin'ny fandevenana. Taorian'izay dia nisafidy ny hisasa izahay, saingy izahay 4 mianaka kely ihany.
Nahatratra roa hetsy mahery ny vola voaangona tamin'ny fahoriana. Niezaka nifampiresaka tamin'ilay rainjanany i zoky saingy tsy nahazo rariny. I mama izany no tsy maintsy nandray andraikitra. Ny antsasak'ilay vola dia nananganany tsena, raha ny antsasany kosa nampiriminy hanomanana ny fiterahan'i zoky. Nandeha tsara ny varotr'i mama sady nahazo zafikely roa be izao izy volana vitsivitsy taorian'ny nahalasanan'i dada. Azo lazaina izany fa ny volam-pamangiana no niainganay, nahafahanay nivelona sy nanatanteraka izay adidy rehetra manandrify. Tafita daholo izahay telo mianadahy, salama tsara ny zazakely, ary nahita izay vady sahaza i zoky taty aoriana.
Tsy mora ny nahalasanan'i dada, indrindra efa zatra niadana izahay zanany. Zara raha nanome vola kely ny mpampiasa an'i dada. Zaranay aza nisy ireo fao-dranomaso nahafahana mihoatra amin'ny fiainana.

Fanimbazimbana sa fahaterena sa safidy ?

Tsy vitsy ireo havana no nandatsa anay hoe toa tsy mba nisy fiaraha-misasa iombonan'ny fianakaviana manontolo taorian'ilay fahoriana. Ireo nahafantatra fa tena nilainay ny volam-paty dia nampitandrina aok'izany fa hisesy aminay ny fahoriana sy ny fahalavoana amin'ny lafim-piainana rehetra. Mazava ho azy, voahilikilika izahay satria tsy nanaraka ny fomban'ny fianakaviana. Toa tsy nahataitra anay mianakavy kely nefa izany satria tao anaty fahasahiranana tanteraka izahay. Izy ireo rahateo, efa fantatray fa tsy hanampy anay mihitsy.
Amiko manokana, tsy misy vola maloto rehefa azo tamin'ny fahamarinana. Solon-tsosoa ho an'ny velona ny famangiana, ary efa nanalana ny singan-dandy nampombaina ny maty. Tsy fahadisoana velively ny fampiasana ny volam-paty amin'ny fiveloman'ny ankohonana, indrindra moa raha ray aman-dreny namela zanaka mbola mila ahiana. 20 taona aty aoriana, rehefa manao jery todika ny fiainanay izahay dia mahatsapa fa tena nanavotra anay ny famangiana tamin'ny fahafatesan'i dada. 15 taona taorian'ny nandehanan'i dada vao lasa i mama : fombam-piainana nefa izany fa tsy ozona na valin'ny ratsy atao sanatria. Niaina tsara tahaka ny olona rehetra izahay, ary samy tafita izahay zanak'i dada sy mama. Samy manana ny manahirana azy ny tsirairay na eo aza ny fomban-tany. Mirindra kokoa ny fiaraha-monina raha tsy hifanery sy hifanome tsiny raha misy olona tsy afaka na tsy te hanaja izany intsony noho ny antony maro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo