• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Choisir Et Acheter Une Moto
Image
Madagasikara

Kodiaran-droa : ireo fitaovana fiarovana mila ampiasaina

12/10/2023 15:15 © Moov.Mg

Tsy azo atao tsirambina ny fitandremana rehefa mitondra kodiaran-droa. Maro tokoa ireo efa naratra mafy sy ireo namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Izany indrindra no antony ampahafantarina eto ireo fitaovana fiarovana mila ampiasaina rehefa mitondra kodiaran-droa na « moto ».

Ireo fitaovana fiarovana tsy maintsy anaovan’ny mpitondra kodiaran-droa

Manoloana ireo lozam-pifamoivoizana maro mikasika ny mpitondra kodiaran-droa tao anatin’ny taona maro izay dia entitra tokoa ny lalàna mifehy ny fitaovana fiarovana tsy maintsy anaovan’izy ireny. Raha ny eto amintsika moa dia ny « casque » sy ny kiraro mifono tanteraka ny tongotra no isan’ireo fitaovana fiarovana takiana amin’ireo mpitondra « moto ».
Ny « casque » no isan’ny fitaovana fiarovana ilaina indrindra rehefa mitondra kodiaran-droa. Miaro ny loha izany raha sendra mianjera na mifandona amin’ny zavatra ny mpitondra « moto ». Tandremana kosa nefa mba ho « casque » miaro tsara, misy « visière » ary mihidy hatramin’ny farany no ampiasaina. Mila mipetraka tsara sy mifatotra tsara amin’ny loha izy ireny mba hiaro tsara raha misy ny loza.
Takiana amin’ny mpitondra « moto » ihany koa ny fanaovana kiraro mifono tsara ny tongotra. Tsy mety ny kapakapa satria raha mianjera dia mety haratra mafy ny tongotra rehefa mitrosina amin’ny « goudron ». Tsara kokoa raha kiraro somary miakatra eo amin’ny « chevilles » no anaovana mba tsy ho folaka rehefa mianjera.

Ireo fitaovana fiarovana tsara hanaovana na tsy voatery aza

Maro ihany koa ireo fitaovana fiarovana tsara hanaovan’ny mpitondra kodiaran-droa na tsy takian’ny lalàna aza ny fanaovana izany. Anisan’izany fitaovana fiarovana izany ny :
-« Gants » mba hiarovana ny tanana raha sendra mianjera na mitrosina amin’ny tany. Miaro ny tanana mba tsy hisy kitro ihany koa ny fanaovana azy ireny. Tandremana kosa mba ho « gants » mampahazo aina ary tsara kalitao no anaovana ;
-« Gilet de haute visibilité » na ireny karazana « gilet » mazava alina ireny dia ilaina tokoa rehefa mandeha amin’ny maizina. Mora hitan’ny mpampiasa lalana hafa ny mpitondra « moto » raha toa ka mijanona eny amin’ny sisin-dalàna. Mazava ho azy fa ivelan’ny ambonin’ankanjo no anaovana izy ireny ;
-« Blouson » mba hiarovana ny tratra sy ny lamosina raha sendra mianjera. Mila lamba mafy tsara, toy ny « cuir » ny blouson anaovana. Raha manana fahefa-mividy dia efa misy ihany koa ireo « blouson armure » izay natokana ho an’ny fiarovana ny mpitondra « moto » ;
-« Bottes » sy « protèges genoux » ho an’ireo mpitondra ireo karazana kodiaran-droa matanjaka. Izany dia miaro ny tongotra, ny « chevilles » sy ny lohalika raha sendra mianjera na mitrosona amin’ny tany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo