• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Détente Jardin
Image
Madagasikara

Fitsitsiana : Jardin potager, fambolena eo an-tokotany

10/10/2023 17:33 © Moov.Mg

Tsy mitsaha-mitombo ny vidin'entana eny an-tsena, indrindra moa ireo vokatra ilaina amin'ny andavan'andro. Samy ao anaty fahasahiranana avokoa na ireo miasa amin'ny fanjakana, na orinasa tsy miankina, na ireo miasa tena. Ahoana àry ny fomba hitsitsiana ao an-tokantrano ? Mety hanampy betsaka ny fambolena.

Tsy ireo mponina any ambanivohitra sy manana tany malalaka ihany no afaka mamboly. Azo atao tsara ny manao "jardin potager" eo an-tokotany : zaridaina, lavarangana na terrasse. Izany no antoka hahazoana legioma isan-karazany : anana, voatabia, ovy, karoty, betterave, sns. Tsy adino ireo zava-maitso manome hanitra ny sakafo : persily, kotomila, tongolo maitso, poireaux, sakay, sns. Tsy ho sahirana intsony ianao mitady rony, laoka na fanomezan-tsiro ny sakafo karakaraina.

Fanomanana ny "jardin potager"

Raha manana zaridaina mbola malalaka, farito amin'ny alalan'ny hazo mamefy ny toerana asiana ireo voly legioma. "Planches" no tena ampiasaina amin'izany. Raha nisy voly teo amin'ilay toerana teo aloha, tsara raha esorina avokoa ireo faka, ahi-dratsy sy fako isan-karazany. Asiana zezika natokana ho an'ny mpamboly legioma ny tany, roa na telo andro mialoha ny handatsahana ny masom-boly. Raha toa kosa ka tsy manana tokotany azo ambolena dia mila "pot" mahitsizoro (rectangle). Izany no atao dia mba hahafahana mamboly legioma maromaro na kely aza ny toerana ananana : lavarangana kely, sisin-drindrina, terrasse kelikely,... Refesina ny toerana hametrahana ireo "pots" ka arakarak'izay ny isa vidiana. Azo ampiasaina tsara ny kesika na "bac" vita amin'ny hazo. Tsy adino ny "bidon" na tavoahangy avy nampiasaina. Marihana moa fa azo ahantona tsara amin'ny rindrina ny tavoahangy mba hahazoana toerana misimisy.
Mikasika ny zezika indray, azo atao tsara ny mividy zezi-pako (hita eny amin'ireo mpivaro-boninkazo eny Anosy) sady manampy zezika natokana ho an'ny legioma.

Fikarakarana ny "jardin potager"

Rehefa vonona ny toerana ambolena, azo volena ireo masom-boly. Misy mivarotra "graines" eny amin'ireo mpiandraikitra momba ny fambolena. Matetika dia ny anana sy ny "salades" no tena ilàna voany na "semences". Azo atao tsara ihany koa nefa ny mamboly izay legioma efa ananana, indrindra ireo heverina fa efa "fako" :
-Voan'ny voatabia na poivron ;
-Ovy na tongolo avela elaela ka mivoaka tsimoka ho azy ;
-Fakana persil, kotomila na poirreaux ;
-Tahona thym, ravimbomanga na anamalaho.
Tsy adino ihany koa ireo voankazo mora mamoa sady tsy lasa lavabe, toy ny Fraise. Mila mividy zanany eny amin'ireo efa mpamboly. Na vazim-boninkazo boribory aza dia efa azo ambolena zana-boankazo.
Mikasika manokana ny fikarakarana, mila tondrahana in-telo isan-kerinandro ny voly. Havahavaina ny tany mba hidiran'ny rano tsara sady hanalana ireo ahi-dratsy. Aza misalasala manamboatra fialofana tsotsotra raha tsikaritra fa mamay loatra ny masoandro ka mandoro ny ravin'ireo legioma na voankazo ambolena. Miaro ireo voly tsy ho simban'ny orana ihany koa ny alokaloka. Amporisihana ny fampiasana fanafody raha toa mahatsikaritra bibikely mandehandeha, na mahita ny fahasimban'ny ravina sasany.

Fidiram-bola

Raha manana toerana somary malalaka, azo atao tsara ny mivarotra ny sasany amin'ireo vokatra. Misy ohatra ireo fianakaviana manokana "bac" maromaro hambolena tongolo maitso. Rehefa miakatra ny vokatra, izany hoe mahazo eo amin'ny iray harona kelikely dia azo amidy tsara. Mahaliana ny mpividy ihany koa ny "salade". Raha manana toerana eo ho eo amin'ny 2 metatra toradroa dia mety hahazo vokatra iray sobika lehibe isam-bolana raha kely indrindra.
Tsy fitsitsiana sy fanampin'ny fidiram-bola ihany ny fanaovana "jardin potager". Fampianarana mahomby ho an'ny ankizy izy io : mamolavola azy ho tia ny natiora sy ho tia karokaroka. Fitaomana ny ankizy hanaja ny tontolo iainana ihany koa satria tsy manarinary ireo ambina legioma izy ireo, sady mahay mampiasa ireo boaty lehibe avy nampiasaina. Tsy vitsy ireo sekoly manana zaridaina izay karakarain'ireo mpianatra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo