• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Îlot de la Vierge Ampefy : ivon'i Madagasikara, tsara tsidihana

06/10/2023 10:35 © Moov.Mg

Ampefy, malaza amin'ny trondro, ny anandrano ary ny zavoka. Maro toerana azo tsidihina ihany koa any, toy ny "Chute de la Lily" sy ny "Geyser". Fa isan'ny mahasarika olona ihany koa ny "Îlot de la Vierge", izay hodidinin'ny farihin'Itasy.

Mahaliana ny mpizahatany

Voalaza fa ivon'i Madagasikara ny "Îlot de la Vierge". Tendrombohitra hodidinina rano, ary ery an-tampony dia misy sary vongan'i Masina Maria, izay Mpanjakavavin'i Madagasikara, ho an'ireo mpino katôlika. Tahaka ny ankamaroan'ireo toerana mahaliana ny mpizahatany eto amintsika, dia mpivarotra karazan-javatra fanao fahatsiarovana no mitsena, vao tonga eny an-tampony eny. Isan'izany ny vato kotroka (pierre ponce), izay vita kisarisary isan-karazany, toy ny sokatra sy gidro izay mampalaza an'i Madagasikara, voalokoloko marevaka manintona maso. Indraindray koa izy ireny no amboarina ho fitaovana ilaina amin'ny fiainana andavandro, toy ny fikosehana tongotra, fasiana tain-tsigara na vato fanorana.

Toerana masina

Be mpizahatany tonga mitsidika ny Îlot de la Vierge. Manodidina ny 50 isan'andro izany, ho an'ny andavanandro ary mihoatra ny 100 rehefa faran'ny herinandro sy rehefa fotoana fialan-tsasatra, hoy ireo mpivarotra raikitra eny. Mahafinaritra ny maso izay tazanina rehefa tonga eny an-tampony eny, tony ny manodidina no sady tsara rivotra. Rehefa alatsinainy dia saika ny tera-tany vahiny no tonga mitsidika eny ary tena mandeha ny tsena. Mahalafo vato 4 isan'olona eo ho eo amin'izany, izany hoe : mampiditra 2 alina ariary. Betsaka ihany koa ny mpino tonga mangata-bavaka eny, amin'ny maha toerana masina azy, izay ny diosezin'i Miarinarivo no miahy azy. Mandoa 500 Ar isan'andro amin'ny Diosezy moa ireto mpivarotra ireto ary manana andraikitra manadio ny toerana eny ihany koa.

Lafo ny fiainana

Mahasondriana ny mpiala sasatra Ampefy, saingy mafy ny fiainana ho an'ny mponina any. Efa tafakatra 850 Ar mantsy ny kapoakan'ny vary, raha mora indrindra, nefa vary vokatra ao an-toerana ihany. Raha ny vidim-piainana ao Ampefy tokoa dia mampikaikaika, na ho an'ireo Malagasy tonga miala sasatra any an-toerana amin'izao aza, satria dia saika lafo avokoa, na ny vidin-tsakafo any amin'ireo trano fisakafoana, na ny hofan'ny hôtely fandriam-bahiny. Mitaraina vokatr'izany ireo mponina, satria sady efa lafo ny andavanandrom-piainana no mampihena ny isan'ireo tera-tany malagasy maniry ny mba hitsangatsangana any izany.

Ireo tera-tany vahiny, noho izany, no tena andry iankinan'ny toekarena. Miandrandra sahady ireo mponina nanaovana ny fanadihadiana, fa mba hitondra fihatsarana ho an'ny fiainan'izy ireo io fifidianana filoham-pirenena ho avy io.


Copyright Image : © Moov

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo