• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Investissements-Personnels
Image
Madagasikara

Fitsarana olona ivelany : Manimba ny fiaraha-monina Malagasy

03/10/2023 05:44 © Moov.Mg

Mora mahita asa, mpahazo tsikitsiky eny an-dalana, voahajahaja ery any anaty toeram-pisakafoanana, ... Izany no sitrahina rehefa metimety ny paozy ivelany. Ireo malotoloto sy tsy mahatakatra fitafiana lafovidy moa dia voahilika tsotr'izao. Tsy ny endrika ivelany moa no mamaritra ny fahaizana, ny fahalalana, ny fanananana sy ny toeran'ny tsirairay. Ilana fitandremana araka izany ny fitsarana ivelany (jugement par apparence).

Fanovana ny fomba fijery

"Ny ory tsy havan'ny manana" : oha-pitenena Malagasy tsy mety lany andro izany. Araka ny efa voalaza etsy ambony, mora amin'ireo olona metimety ny mahazo zavatra. Rehefa mihaja be ny olona dia voahaja na aiza na aiza alehany. Rehefa tsotsotra na tsizarizary kosa dia mihidy ny ankabeazan'ny varavarana. Misy moa ireo mitaraina fa mahazo fijery ratsy rehefa manao kapa ka miditra irony supermarché na restaurant lehibe irony. Ny tena loza dia mety hahavita hahavoaka teny mahery na tsy voahevitra eo imason'ilay olona heverina fa "tsy dia manan-danja". Rehefa tena zohina nefa dia ilay olona iny indrindra no mety tompon'ilay toerana na ilay orinasa.
Mila ovaina nefa ny fomba fijery satria tokony hitovy ny fanajana ny olon-drehetra, na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny endriny ivelany. Misy mantsy ireo tena manam-bola nefa tsy tia mihaingo be n'aiza n'aiza toerana alehany. Raha adika tsotsotra, tsy hoe nanao tee-shirt sy kapa ilay olona nitondra fiara dia "chauffeur", fa mety izy mihitsy no tompon'ny fiara. Rehefa manana fijery miabo nefa dia tsy hahay hanambany olona, na inona na inona asany sy fananany.
Ampahatsiahivina ihany koa fa mendrika haja na ireo olona tena sahirana aza, satria olombelona toy ny rehetra ihany izy ireny. Hoavin'ny firenena izy ireo, satria tsy mitandro hasasarana manao ny ezaka rehetra mba ho tafita : tsy manana ray aman-dreny hametraka lova be, tsy manana havana matanjaka hampiditra hiasa amina asam-panjakana ambony, sns. Ho an'ireo mpivarotra na mpiasa birao izany, tokony ho raisina amin'ny tsikitsiky avokoa na ny "mpanakarena" na ny "mahantra". Ho an'ireo mpampiasa indray, tsy arakaraka ny paozy ivelany ny fahaizana ilay asa. Tsy maty antoka mihitsy mampiasa olona tso-pitafy nefa mahafehy tsara ny asany. Azo atao tsara nefa ny mametraka "tenue de travail" iraisana ohatra, mba hampitovy ny mpiasa rehetra.
Misy indray ireo tojo olana amin'ny resaka fanambadiana, noho ny "saranga tsy mitovy ". Any amin'ny fikarakarana ny raharaha matetika dia efa mitranga ireo olana isan-karazany. Rehefa ela ny ela, mihalefy ny fitiavana, mety alaim-panahy ny andaniny ka hanambany ny ankilany.

Fiheverana ny voka-dratsin'ny fitsarana ivelany

Tsy vitsy ireo olona "complexé" noho ny endriny ivelany. Misy ohatra ireo nahavita fianarana ambony no tsy sahy miditra birao akory noho ny fitafiana farak'izay tsotra. Sarotra ny mahazo asa, mifanerasera amin'ny hafa, mandresy lahatra raha vao tsy manao fitafiana mihaja. Ny mampalahelo dia misy ireo mamorona ny tsy misy, hahafahana mianjaika tsara amin'ny fotoana voatokana.
Amin'ny lafiny iray, mahatonga ny tsirairay hiezaka mafy ny tahotra vavan'olona. Afaka manao madio tsara ny tsirairay isan'andro na dia kely karama aza. Betsaka ihany koa ireo "friperies" tena tsara nefa takatry ny fahefa-mividy rehetra eny an-tsena. Tandremana kosa nefa ny te hisongadina loatra ka manjary mamorona ny tsy misy. Mety ho azon'ny fakam-panahy mantsy indraindray hividy zavatra lafo loatra mba hampisehoana amin'ny hafa hoe efa tafita.
Raha eo amin'ny sehatry ny fanambadiana kosa, tsy tokony hisy intsony ny resaka saranga rehefa nisafidy ny hiara-dalana. Mila miray saina sy mifampiaro hatrany ny mpivady manoloana ireo eson-teny sy tsindrom-paingotra ataon'ny havana sy ny manodidina.
Tsara tadidiana, fa noho ny fiaraha-monina masiaka loatra, misy voka-dratsy tsy heverina loatra :
-Misitri-belona ilay voatsaratsara matetika, ka aleony afenina na ny talentany na ny fahaizany,
-Very ny fahatokisan-tena (estime de soi),
-Tsy sahy maneho hevitra,
-Tsy mety mahatratra tanjona,
-Marary, lasa adala na mamoy fo.

Tsy fitovian'ny fomba fanao sy ny hevitra

Tsy ny fisehoana ivelany ihany no mety hahatonga fiheveran-diso. Eo ihany koa ny fomba fanao sy ny hevitra. Misy ireo hevitra raiki-tapisaka zary itsaratsarana olona. Mampalahelo fa matetika dia fanaratsiana no tonga ao an-tsain'ny olona voalohany, fa tsy mba ny lafy tsarany. Mbola ezaka goavana ny fanalana ireo "stereotypes" sy "étiquettes" apetrapetraka fahatany eny amin'ny fiaraha-monina. Rehefa miha-matotra kosa nefa ny olona, fantany fa samy manana ny fiainany sy ny fomba nitaizana azy ny tsirairay ka tsy hisy hitovy na ny fomba fisainana na fanao.

Mila ianarana tokoa ny tsy mitsara olona araka ny fomba fijerin'ny tena manokana. Ny fijery miabo no tena ilain'ny rehetra, mba hahasoa ny fifandraisana. Azo atao tsara ny manontany ilay olona raha tena misy manitikitika. Ny mety kokoa aza dia ny mifantoka amin'ny fiainan'ny tena manokana, toy izay ho lany andro handinika izay ataon'ny hafa.


Copyright Image : © Moov

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo