• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © W
Image
Madagasikara

Fizahantany : maro ny tombontsoa azo avy amin’ny « tourisme national »

28/09/2023 13:48 © Moov.Mg

Ny fizahantany no isan’ireo sehatra mampidi-bola indrindra amin’ny firenena iray. Tsy voatery ny mpizaha-tany avy any ivelany ihany no mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny toe-karena izany fa ireo mpiala sasatra eto amin’ny Nosy ihany koa. Maro tokoa ny tombontsoa azo avy amin’ny « tourisme national » na ny fizahan-tany anatin’ny firenena honenana. Araho ‘nge e !

Ny fampiroboroboana ny toe-karena anatiny

Ny mpizahan-tany, na ireo avy anya m-pitan-dranomasina na ireo avy eto an-toerana ihany, dia mandany vola amin’ny trano fivanianana, ny sakafo, ny fitaterana, ny fialamboly, ny fitsidihana… Manampy betsaka amin’ny fampiroboroboana ny toe-karena ao amin’ny toerana tsidihana ireny vola mivoaka amin’ny mpizahan-tany ireny. Ankoatra izay dia mampitombo ny fiforonan’ny asa ao amin’ireo tanàna tsidihan’ny mpiala sasatra.

Ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina

Mandray anjara amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina ao amin’ny tanàna tsidihina ny « tourisme national ». Misy ampahany maro amin’ireo vola ampidirin’ny fizahan-tany no ampiasaina amin’ny fanatsarana ireo foto-drafitr’asa miompana amin’ny fampianarana, ny fahasalamana… Ny fizahan-tany anatin’ny firenena ihany koa dia mampifandray sy manatsara ny fifandraisana amin’ny samy malagasy. Mahafinaritra hatrany ny mahafantatra ny fomba amam-panao, nahandro, fiteny ary ny kolontsaina ao amin’ny tanàna na faritra tsidihina.

Ny fiarovana ny zavaboahary sy ny lova ara-kolontsain’ny firenena

Manankarena zavaboary, tora-pasika sy lova ara-kolontsaina i Madagasikara. Tsikaritra nefa fa mbola vitsy ny Malagasy mahafantra sy efa nahavita nitsidika ny ankamaroan’izy ireny. Maro ireo fianakaviana manam-bola no misafidy mandeha mizaha-tany any ivelany toy izay mitsidika ireo toerana mahafinaritra eto amin’ny Nosy. Rehefa tsy misy mitsidika nefa ireny toerana ireny dia manjary lasa tsy voaharo. Maro ireo zavaboary lasibatry ny doro-tanety, ny fanondranana tsy ara-dalàna… Ny « tourisme national » dia mampidi-bola manampy amin’ny fiarovana azy ireny. Tsy hanenenana noho izany ny manao fizahan-tany anatiny, ny fahafinaretana azo, ny adidy vita !

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo