• Cours de change
  • 4688.34 AR
  • |
  • $4422.6 AR
Copyright Image : © Marketplace Madagascar, Produits, Sondages, Actualités
Image
Madagasikara

Tanàna madio : miainga ao an-tokantrano

30/03/2023 10:45 © Moov.Mg

Andro iraisam-pirenena « zéro déchet » andiany voalohany ny 30 mars 2023. Raha ny eto Madagasikara manokana no resahina dia mbola lavitra tokoa ny ezaka ahafahana manafoana ny fako miangona. Mila mandray fandraisana anjaran’ny tsirairay ny fanatanterahana izany ka miainga amin’ny fahazarana ao an-tokantrano izany. Inona avy ary ireo tokony hatao ?

Tanàna madio : mila manana fanariam-pako ny isan-tokantrano

Manomboka amin’ny fitandrovana ny fahadiovana ao an-trano ny fanajana ny fahadiovan’ny tanàna. Efa maro ireo ankohonana malagasy no manana fanariam-pako ara-dalàna ao an-trano mba tsy hiparitahan’ny loto etsy sy eroa. Misy ireo manao lava-pako ao an-tokontany hanariana ny fako amin’ny andavanandro. Matetika dia dorana ny fako rehefa mitady ho feno ny lava-pako. Ireo mipetraka eny an-drenivohitra kosa dia manary ny fako eny amin’ny toerana voatokana amin’izany isaky ny fokontany na ny commune. Ho an’ireto farany, ezahina mba ho eny amin’ireny toerana misy daba-pako (baine à ordures) ireny no ariana ny fako mba hisorohana sy hanenana ny fako miangona eny an-dalambe.

Tanàna madio, zarina ny hanaja ny fahadiovana ny zaza sy ny ankizy

Miainga ao an-tokantrano ny fahazaran’ny olona hanaja ny fahadiovan’ny tanàna. Mila ampianarina sy zarina dieny mbola kely ny zaza sy ny ankizy hanary ny fako eny amin’ny fitoerana sahaza izany. Ny ray aman-dreny ihany koa torak’izany. Mila mampiseho ohatra tsara hoan’ny ankizy. Rehefa zatra tsy manary zavatra eny amin’ny tany sy eny an-tokontany ny tsirairay dia ho mora kokoa ny mampiatra izany eny an-dalambe sy eny amin’ny tontolo rehetra eny. Asiana fitoerana fako ohatra ao anaty ny fiaran’ny mpianakavy mba tsy hanariana fonona sakafo na tavoahangy eny an-dalana. Ho an’ireo mandeha fitateram-bahoaka sy mandeha an-tongotra dia ampirimina anaty paosy na anaty kitapo ny fako ary entina mody na ariana eny amin’ny fanariam-pako izay lalovana.

Mandray anjara amin’ny fanomezan-danja ny fako

Tsy mitsaha mitombo ny isan’ireo orinasa sy fikambanana mandray an-tanana ny fanomezan-danja ny fako sy ny fanodinana azy ireny ho zavatra ilaina indray. Maro amin’ireny orinasa sy fikambanana ireny no manangona ny fako sokajiana ao anatin’ireo tsy mety levona toy ny plastika, taratasy, tavoahangy… Misy ihany koa ireo manangona ny fako organika, toy ny ambin-tsakafo, mba ho havadika zezika. Manampy amin’ny fanenana ny fako miangona izany ary miady amin’ny fiparitahan’ny voalavo noho ny fiandronan’ny loto. Ho fandraisana anjara amin’ny fanomezan-danja ny fako dia mila miezaka ny tokantrano tsirairay mba hifantina ny fako ao an-trano. Izany hoe atokana ny fako tsy mety levona ary atokana ny fako organika ary omena ireny mpanagona fako hahodina ireny.

Tsy iandrasana ny commune ny fanafoanana ny fako fa mila mandray andraikitra ny olona rehetra. Miainga ao an-tokantrano ny fahadiovana sy ny fiovana !

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo