• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Aoraha
Image
Madagasikara

Taombaovao Malagasy : Ireo toerana fizarana AFO TSY MATY anio Talata 21 martsa

21/03/2023 08:24 © Moov.Mg

Androany atoandro no andrehetana ny "Afo tsy maty" eny amin'ny Rovan'Ambohidrabiby. Ho an'ireo izay tsy afaka mamonjy ny lanonana eny an-toerana nefa, misy ireo toerana izarana izany eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina.

Tsiahivina fa ny fandrehetana ny "Afo tsy maty" dia anisan'ny fombafomba manamarika ny famaranana ny taona, iomanana amin'ny taona vaovao Malagasy. Rehefa manomboka maizina ny andro dia misy ny arendrina arahina afon-dasy manodidina ny lapa. Koa satria lanonan-dehibe no atao dia misy ny kilalao malagasy miavaka toy ny don-tany, kapo-tandroka, fampitaha, ...

Ireto avy ireo toerana ahitàna fizarana AFO TSY MATY miainga avy ao amin'ny Kianjan'ny Kanto, ny Talata 21 Martsa 2023, manomboka amin'ny 6:30 hariva

▪️Mahamasina Kianjan'ny Kanto
▪️Androndrakely Jovenna
▪️Domaine Alasora
▪️Rond-point Fiadanamanga
▪️Rond-point Ambohimanambola terminus 192
▪️Rond-point Ambohimahitsy RN2
▪️Rond-point Ambohimangakely
▪️Rond-point Andranobevava
▪️Pullman Ivandry # 3 chemins
▪️Manoloana ny Coliseum Analamahitsy
▪️Tamboho Somacou Ilafy
▪️Sampanana pavée Antsofonondry # Ambodifasina
▪️Ivato Sarimasina
▪️Ambohibao 4 chemin makany Morondava
▪️Sampanana Andranotapahana
▪️Sampanana Ambohitrimanjaka # Art Malagasy tsena DIARY KANTO
▪️Ambodiafontsy tany malalaka
▪️Itaosy # sampanana Beravina (pavée makany Avarabohitra IMRA)
▪️Imerintsiantosika
▪️RN 2 hisy tsara sitra-po hitondra AFO hatreny Carion

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo