• Cours de change
  • 5048.02 AR
  • |
  • $4498.02 AR
Copyright Image : © Lesoeufs.Ca
Image
Fahalalana Ankapobeny

Atody : afaka hanoloana ireo vokatra fanadiovana ao an-trano misy singa simika

07/04/2025 15:33 © Moov.Mg

Maro amintsika ny mikaroka fomba samihafa hanoloana ireo vokatra fanadiovana ao an-trano misy singa simika. Sady lafo vidy tokoa mantsy izy ireny no mety misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana. Maro ireo vokatra natoraly afaka hasolo azy ireny ka anisan’izany ny atody. Araho eto ary ny andinindininy mikasik’izany.

Tapotsin’atody : akora natoraly afaka hanadiovana zavatra maro ao an-trano

Manampy betsaka amin’ny fanadiovana sy ny fikolokoloana zavatra maro ao an-trano ny tapotsin’atody. Ny « texture » sy ny « enzyme » mandrafitra azy dia manana fiasa manadio, manavao sy mampangirana fitaovana isan-karazany.
-Manavao ny hoditra (cuir) sy ny fanaka hazo. Raha te hanavao ny seza lava, ohatra, dia afangaro ny tapotsin’atody nokapohana kely sy ny « essence de térébenthine » atao « gouttes » vitsy. Hosorana amin’ilay seza amin’ny alalan’ny lamba malefaka. Raha hanadio fanaka hazo dia afangaro ny tapotsin’atody sy rano kely. Io no ahosotra eo amin’ilay fanaka amin’ny alalan’ny « chiffon microfibre ».
-Hanalana tasy eo amin’ny akanjo vita amin’ny volonondry (laine). Tsotra ny fomba atao. Asiana tapotsin’atody eo amin’ilay faritra misy tasy. Avela hiasa 10 minitra avy eo kobanina amin’ny rano mangatsiaka.

Tamenak’atody : manadio ny lamba sy ny tany

Vitsy amintsika no mahafantatra fa afaka ampiasaina amin’ny fanadiovana ao an-trano ihany koa ny tamenak’atody.
-Mampangirana ny « linoléum ». Ity farany dia karazana « revêtement de sol » tsara endrika fa koa somary mora vasoka. Mba hampangirana azy indray dia afangaro ny tamenak’atody sy ny rano tapa-litatra ary kapohana tsara. Io fangaro io no hanasana ny « linoléum ».
-Anesorana ny tasin’ny kafe eo amin’ny lamba. Afangaro ny tamenak’atody sy ny rano matimaty fahefan’ny kaopy. Io fangaro io no ahosotra eo amin’ilay tasy. Avela hiasa eo mandritra ny 10 minitra avy eo kobanina.

Lire la suite

Articles Similaires