• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Internet Matters
Image
Fahalalana Ankapobeny

Ankizy mampiasa tambazotra sosialy : ahoana ny atao hiarovana azy ireny ?

07/03/2025 10:28 © Moov.Mg

Ny fomba tsotra indrindra hiarovana ny ankizy amin’ireo vokadratsin’ny tambazotra sosialy dia ny tsy famelana azy hampiasa azy ireny. Mora ny manao izany amin’ny ankizy kely fa sarotra kosa eo amin’ireo adolantsento, indrindra raha mampiasa avokoa ny namany. Ahoana ary ny fomba atao mba hiarovana ny ankizy mampiasa tambazotra sosialy ?

Ankizy mampiasa tambazotra sosialy : ireo lafy ratsiny mila fantatra

Tsy mitsaha-mivoatra ny fandrosoana nomerika ka anisan’ireo miroborobo amin’izany ny tambazotra sosialy. Saika mampiasa azy ireny avokoa ny rehetra ka tafiditra anatin’izany ny ankizy sy ny adolantsento. Mampiala voly, mampianatra zavatra maro, mampifandray amin’ny hafa… maro ireo zavatra mahaliana sy ilaina ny tambazotra sosialy. Misy ihany koa nefa ireo lafy ratsiny mila tandremana, indrindra eo amin’ny ankizy mampiasa azy.
-Manintona ny olon-dratsy. Maro ireo olon-dratsy mampiasa ny tambazotra sosialy handemena ny sain’ny ankizy sy hamandrihana azy ireo. Ao anatin’ireo olon-dratsy ireo ny mpangala-jaza, ny mpanolana, ny mpangalatra, ny mpisoloky…
-Mampiana-dratsy. Tsy misy sivana ny zavatra zarain’ny olona ao amin’ireny tambazotra sosialy ireny, indrindra ny sary sy ny horonantsary. Mety ahitana zavatra mamoafady na koa feno herisetra ao anatin’izy ireny. Mora voasarik’izany ny sain’ny ankizy sy ny adolantsento ka mety hampiana-dratsy azy ireo izany.
-Mampihemotra amin’ny fianarana. Satria maro ireo zavatra mahavariana ao anatin’ireny tambazotra sosialy ireny dia mety handany fotoana maro eo am-pijerena azy ireny ny ankizy. Noho izy ireo mbola tsy mahay mandanjalanja ny fotoana dia mety ho lasa ankilabao ny fianarana. Raha tsy voafehy ary moa dia mety tsy hifantoka amin’ny fianarana intsony mihintsy izy ireo.

Ireo torohevitra hiarovana ny ankizy mampiasa tambazotra sosialy

Mba hiarovana ny ankizy mampiasa tambazotra sosialy amin’ireo mety ho vokadratsin’izy ireny ary dia mila :

Fantarina ireo karazana tambazotra sosialy misy

Instagram, Facebook, Snapchat, TikTok, mime, sns. Alohan’ny hanoroana sy hananarana ny ankizy mampiasa tambazotra sosialy dia mila fantatsika ray aman-dreny ireo karazana tambazotra sosialy misy. Jerena ireo zavatra (sary sy horonan-tsary) zarain’ny mpampiasa azy ireny ahafahana mamaritra hoe mety sa tsy mety amin’ny ankizy. Misy ohatra ny tambazotra sosialy « mime » izay natokana ho an’ny olon-dehibe fotsiny ihany.

Amboarina miaraka ny « paramètres » ny kaontin’ny ankizy

Fomba iray ahafahana manara-maso ny kaotin’ny ankizy mampiasa tambazotra sosialy ny fiarahana manamboatra ny « paramètres » an’izy ireny. Anisan’ny mila atao ny mametraka ny « contrôle parental » amin’ny finday mba hahazoana « notification » raha misy fitondran-tena mampidi-doza ataon’ny zanaka ao amin’ny tambazotra sosialy. Hamafisina ihany koa ny « confidentialité » amin’ny kaontin’ny ankizy mba hamerana ny fifandraisany amin’ireo olon-tsy fantatra sy ireo mety ho olon-dratsy.

Ampahafantarina ny ankizy ireo mety lafy ratsin’ny tambazotra sosialy

Mba ahafahan’ny ankizy mampiasa tambazotra sosialy hitandrina tsara dia mila ampahafantarina azy ireny ireo lafy ratsin’ireto farany. Hazavaina azy hoe misy ireo olon-dratsy mampiasa ireny tambazotra sosialy ireny. Lazaina aminy ihany koa hoe tsy voatery marina sy azo atao avokoa ireo zavatra zarain’ny olona ao, na ny sary na ny horonantsary. Ary farany, atoro azy hoe tsy mety ny mizara « informations personnelles » satria mety manintona olon-dratsy izany.

Lire la suite

Articles Similaires