Mardi Gras : Andro fihinanambe farany mialoha ny karemy
Ny talata 4 marsa no "Mardi Gras" amin'ity taona 2025 ity. Ny alarobia 5 marsa mantsy, alarobian'ny lavenona, no manomboka ny karemy.
40 andro mialoha ny Paska ny karemy. Fotoana fifadian-kanina izy io, ho an'ireo Kristiana, indrindra ireo mpino katolika. Ny talata mialoha ny Karemy dia antsoina hoe "Mardi Gras". Amin'io andro io no hihinanana matavy sy matsiro farany, mandra-piandry ny paska.
Fety sy fihinanambe
Matetika dia manao "carnaval" ny ankizy mpianatra rehefa "mardi gras". Manao fitafiana miavaka na "déguisement" izy ireo ary faranana amin'ny "grand goûter" ny hetsika. Mazava ho azy, tsy mbola azon'ny ankizy loatra ny mikasika ny karemy, fa manaraka fotsiny ny fandaharam-potoana sy ny fihetsiketsehana omanin'ny sekoly izy ireo.
Ho an'ireo tanora sy olon-dehibe efa mahazo tsara ny foto-pinoany kosa, fotoana manan-danja ny karemy. Entina handinihan-tena sy hiombonana fijaliana amin'i Kristy mantsy izany. Ireo Katolika moa no tena manome lanja ny karemy, izay marihana amin'ny fifadian-kanina. Ny hena sy ny atody no tena fadiana na hahena amin'izany. Ny tanjona dia ny mba hampitomboana ny fotoana ivavahana sy ny fizarana ho an'ireo tsy manana, fa tsy fampijalian-tena velively. Rehefa "mardi gras" izany dia manararoatra mihinana hena matsiro sy matavy, sy mofomamy isan-karazany. Misy ireo fianakaviana efa zatra manao hanim-pitoloha amin'ny hariva, ka atao marobe ny karazan-tsakafo aroso eo ambony latabatra.
Fihenam-bidy
Azo lazaina fa "fetin'ny sakafo" ny "mardi gras". Tsy vitsy noho izany ireo magazay lehibe sy trano fisakafoanana no manome tolotra miavaka ho an'ireo mpanjifa. Ny fihenam-bidy no tena mahazatra, mba hisintomana ny mpanjifa hividy sakafo betsaka. Maro araka izany ireo manararoatra manao "provisions" eny amin'ireo supermarchés sy grossistes manolotra fihenam-bidy. Tsy voatery ireo kristiana ihany izany no misitraka ny tombontsoan'ny "mardi gras". Efa fety iombonana manerantany rahateo izany ka samy mandray izay tandrify azy sy mifety araka izay mety aminy ny tsirairay.