Handoko volo voalohany : ireo mila fantatra alohan’ny hirosoana
Fanovana iray tena mety hanatsarana ny endrika ny fandokoana volo. Maro arak’izany ny afa-po amin’ny fanaovana azy io. Misy ihany koa nefa ireo diso fanantenana satria sady simba ny volo no tsy nivoaka araka ny nieritreretana azy ny lokom-bolo. Resahana eto àry ireo zavatra mila fantatra sy mila tandremana rehefa handoko volo voalohany mba hisorohana ny nenina.
Handoko volo voalohany, fantarina ny vokatra andrasana
Io no fomba voalohany hisorohana ny fahadisoam-panantenana rehefa handoko volo voalohany. Fantarina aloha hoe tiana hiova tanteraka ve ny lokon’ny volo sa asiana loko manaingo azy fotsiny ihany. Miankina amin’izay no hisafidianana ny teknika handokoana ny volo. Samy hafa ihany koa ny vokatra fandokoana ampiasaina. Matetika dia mahery kokoa ireo singa ao anatin’ny « produits » hanovana tanteraka ny lokom-bolo raha oharina amin’ireo ampiasaina amin’ny fanaingoana ny lokom-bolo.
Safidiana tsara ny lokom-bolo ho atao
Mba hivoaka tsara ny lokom-bolo dia mila safidiana tsara ny lokony izay ho atao. Miankina amin’ny lokon’ny hoditra sy ny mason’ny tena no hisafidianana izany. Rehefa voasifidy tsara io lokon’ny volo io dia manazava sy toy ny mampihiratra ny endrika. Mila jerena ihany koa ny lokon’akanjo sy ny fomba fiakanjo manavanana amin’ny andavanandro mba tsy hifanipaka amin’ny lokom-bolo ho atao. Afaka maka torohevitra amin’ny mpandoko volo matihanina raha toa ka vao handoko volo voalohany.
Tsy voatery mitovy ny fivoakan’ny loko eo amin’ny karazam-bolo rehetra
Isan’ny zavatra iray mahadiso fanantenana ny olona nandoko volo tokoa ny fiandrasana vokatra mitovy tanteraka amin’ny sary hita eo amin’ny boatin’ny lokom-bolo na amin’ny lokom-bolon’olona tiana hadika. Marihana nefa fa tsy voatery hitovy ny fivoakan’ny lokom-bolo nohon’ny lafin-javatra maro, toy ny lokom-bolo natoraly. Hoantsika Malagasy sy ny Afrikanina amin’ny ankapobeny dia miloko mainty be ny volontsika. Sarotra kokoa noho izany ny handraisany ny lokom-bolo sy hahazoana ny loko mitovy ny an’ny olona fotsy fihodirana. Efa misy ihany moa ankehitriny ny teknika ahafahana mamoaka tsara kokoa ny lokom-bolo tadiavina amin’ny alalan’ny fanesorana ny lokom-bolo natoraly izay vao mandoko ny volo. Mampiasa akora simika mahery be nefa ny fanaovana izany ka manimba volo kokoa.
Mila karakaraina tsara ny volo nolokoina
Rehefa nampiasana vokatra simika, toy ny lokom-bolo, ny volo dia mazava ho azy fa lasa marefo, makiana sy mora simba. Noho izany, alohan’ny hirosoana amin’ny fandokona volo dia mila miomana sahady amin’ireo karazana fikolokoloana atao amin’ny volo miloko rehefa amin’ny andavanandro. Soloina avokoa ireo vokatra nampiasaina tamin’ny volo natoraly, izany hoe ny shampoing, après shampoing, masque… Sady miaro ny volo tsy ho simba ireto vokatra manokana ho an’ny volo miloko ireto no sady mampivoaka tsara sy mampaharitra ny lokom-bolo.