Torohevitra mba tsy hiankinandoha amin’ny finday
Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny andavanandrontsika ny finday ankehitry. Ny finday avo lenta moa eto no resaka. Maro dia maro tokoa ny zavatra mahavariana sy mahaliana ao anatin’izy ireny, hany ka maro no lasa miankindoha amin’ny fampiasana azy. Inona avy ireo fambaran’ny fiankinan-doha amin’ny finday ? Ahoana no atao hialana amin’izany ?
Ireo fambaran’ny fiankinandoha amin’ny finday
Anisan’ireo fambara tokony hahatsapana ny fiankinandoha amin’ny finday ny :
-Faniriana sy filàna ny hijery ny finday foana. Na tsy misy « notifications » aza dia te hijery mafy ny finday ary tsy mahatohatra izany faniriana izany ;
-Fahatsapana fa misy zavatra tsy ampy ary toa mitebiteby raha toa ka maty, very na tsy afaka jerena ny finday. Tsy mety mahazo aina fa any foana ny saina ;
-Tsy mahavita mifantoka amin’ny zavatra atao. Vao misy « notifications » kely amin’ny finday na ireo « applications » ao aminy tonga dia jerena, eny na dia eo am-panaovana zavatra mila fifantohana na ilaina maika aza ;
-Fitokatokanana amin’ny manodidina. Lasa variana amin’ny finday fa tsy miraharaha ny olona manodidina. Aleo miresaka amin’ny olona ao amin’ny finday, ohatra ireo amin’ny tambazotra sosialy, toy izay amin’ireo olona mifanatrika amin’ny tena ;
-Tsy fahitana tory. Zatra mampiasa na mijery finday amin’ny alina ka variana eo dia lasa alina be vao matory na mety ho fotsy torimaso mihintsy aza.
Ireo mety ho fiantraikan’ny fiankinan-doha amin’ny finday
Toy ny fiankinan-doha rehetra dia mety hiteraka vokadratsy eo amin’ny lafim-piainana samihafa ny fiankinan-doha amin’ny finday. Anisan’izany ny :
-Olana ara-pahasalamana. Vizaka ny maso, manaintaina ny hatoka, mikorontana ny torimaso… ;
-Fikorontanana ara-tsaina. Mitebiteby, misy rarin-tsaina, mihena ny fahatokisan-tena... ;
-Olana eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa. Lasa sahirana mifanerasera amin’ireo olona akaiky, toy ny namana sy ny havana ; lasa misy disadisa amin’ny hafa, mitokatokana… ;
-Fihenanan’ny « productivité ». Lasa tsy mahavita mifantoka tsara, voaelingelina lava, mangatak’andro…
Ireo fomba atao hialana amin’io fiankinandoha io
Mba hialana amin’ny fiankinan-doha amin’ny finday sy hisorohana ireo vokadratsy aterak’izany dia misy ireo torohevitra tsara ampiharina :
-Fahatongavan-tsaina hoe manana olana amin’ny fiankinandoha amin’ny finday. Izany dia mba ahafahana manapa-kevitra ny hiala amin’izany sy mitady ny vahaolana ;
-Asiana fetra ny fampiasana sy fijerena ny finday. Izany hoe faritana mazava ny fotoana tsy hikitihana azy io, ohatra rehefa misakafo, rehefa alohan’ny hatory… ;
-Esorina ireo « notifications » mba tsy ho voaelingelin’izany sy mba hifantohana tsara amin’ny zavatra atao ;
-Miala voly. Manokana fotoana hialana voly iarahana amin’ny namana, havana sy hifaneraserana amin’ny olona mivantana ;
-Mitady fanampiana. Raha tsapa fa tena mafy ny miaina sy miady amin’ny fiankinan-doha amin’ny finday dia tsara ny manantona mpitsabo matihanina mitsabo manokana ny olana amin’ny fiankinan-doha.