• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Guide Image
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fanadiovana carreaux : tsy voatery mampiasa akora simika

14/02/2025 11:40 © Moov.Mg

Dingana iray amin’ny fikolokoloana ny carreaux mba hangirana sy haharitra ny fanadiovana tsara azy ireny. Efa maro moa ireo vokatra manokana na « produits » fanadiovana azy ireo hita eny an-tsena eny. Raha tsy maniry ny hampiasa vokatra misy akora simika dia azo atao tsara ny manamboatra vokatra fanadiovana carreaux vita amin’ny akora natoraly. Araho ary !

Ireo vokatra fanadiovana carreaux vita amin’ny akora natoraly

Maro ireo akora natoraly fampiasa ao an-trano izay azo hanamboarana fanadiovana carreaux. Anisan’izany ny :
-Vinaigitra fotsy sy rano. Afangaro ny vinaigitra fotsy sy ny rano matimaty mitovy fatra. Atao anaty tavoahangy ary ahontsana mba hifangaro tsaro. Ny vinaigitra fotsy dia manampy amin’ny fanesorana ny tasy, ny calcaire sy ny ambin-tsavony eo amin’ny carreaux.
-Karibonetra sy rano. Afangaro ny karibonetra tapaky ny kaopy sy ny rano kely mba hahazoana paty. Io fangaro io no ahosotra eo amin’ireo tasy sarotra miala eo amin’ny carreaux. Avela milona mandritra ny minitra vitsy avy eo kosehana moramora. Ny karibonetra dia « abrasif » malefaka izay afaka manala ireo tasy sarotra esorina.
-Ranona voasary makirana sy rano. Afangaro tsara ny ranona voasary makirana sy ny rano matimaty. Ny ranona voasary makirana dia akora natoraly manadio izay afaka manala ny loto sy mamono ireo mikraoba eo amin’ny carreaux.

Ny fomba fanadiovana ny carreaux

Mila fahaizana ny fanadiovana ny carreaux mba hampadio sy mangirana tsara azy ireny. Toy izao ary ny dingana sy ny torohevitra tsara arahana :
-Omanina tsara ny faritra diovina. Esorina ny vovoka sy ireo loto eo amin’ny carreaux amin’ny alalan’ny famafana azy na amin’ny fitrohana ireo loto amin’ny aspirateur ;
-Osorana ny vokatra natoraly fanadiovana carreaux. Mampiasa serpillière, éponge na lamba malefaka amin’ny fanosorana io vokatra fanadiovana namboarina tao an-trano io ;
-Kosehana moramora. Raha ilaina dia kosehana mora amin’ny borosy misy volony malefaka ireo tasy miraikitra be. Raha tsy misy borosy dia afaka mampiasa éponge ;
-Sasana amin’ny savony. Raha toa ka mbola misy loto tsy afaka tsara dia afaka mampiasa rano sy savony hanasana ny carreaux, indrindra ireo « joints » na ireo faritra manelanelana ny carreaux tsirairay ;
-Kobanina tsara. Kobanina amin’ny rano betsaka tsara mba hanesorana ireo ambina vokatra natoraly fanadiovana sy ny ambina savony tafajanona eo amin’ny carreaux ;
-Hamainina amin’ny lamba madio sy maina tsara. Rehefa voakobana ny carreaux dia fafana amin’ny lamba mba ho maina sy tsy hisy rano mifangitra. Raha carreaux amin’ny tany dia serpillière madio sy maina tsara no hamafana azy amin’ny farany.

Lire la suite

Articles Similaires