• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Magic Maman
Image
Fahalalana Ankapobeny

Kiraro ballerines : ahoana ny atao hiadiana amin’ny fofon-tongotra ?

13/02/2025 14:17 © Moov.Mg

Mora anaovana, mihaja, maivana… hita eny an-tsena rehetra hatrany ny kiraro ballerines. Maro ny tsy tia azy ireny noho izy mampisy fofon-tongotra ratsy na hoe maha maimbo fraoma. Ho an’ireo te hanao ballerines ary dia atoro eto ireo fomba atao hiadiana amin’ny fofon-tongotra ratsy rehefa manao azy ireny.

Inona no antony mahatonga ny ballerines miteraka fofon-tongotra ratsy ?

Saika maimbo tongotra avokoa ny ankamaroan’ny olona rehetra manao ballerines. Araka ny fanazavan’ireo manam-pahaizana dia mitombo ny hatsemboan’ny tongotra rehefa ao anaty kiraro mihidy, indrindra rehefa mafana ny andro. Tsy ilay hatsemboana loatra no miteraka ilay fofon-tongotra fa ny fisian’ny bakteria ratsy mitangorona eo aminy ka mamoaka fofona ratsy.
Amin’ny maha-kiraro mihidy ny ballerines dia mitana hatsembohana izy ireny. Satria moa izy ireny matetika dia vita amin’ny akora « synthétiques » dia vao maika mampitombo ny hatsembohan’ny tongotra. Rehefa milona amin'ny hatsembohana dia mihombo ireo bakteria ratsy, indrindra moa raha tsy madio na tsy maina tsara ny tongotra manao ilay kiraro.

Ireo torohevitra hisorohana ny fofon-tongotra ratsy rehefa manao ballerines

Mba hisorohana sy hiadiana amin’ny fofon-tongotra ratsy rehefa manao ballerines ary dia tsara raha :
-Kiraro ballerines vita tanteraka amin’ny hoditra no hanaovana. Ny hoditra mantsy dia akora miaina (respirant) izay mamela ny tongotra hahazo aina fa tsy mihiboka be toy ny rehefa manao akora « synthétiques » ;
-Atao madio sy maina tsara foana ny tongotra isaky ny hanao ballerines. Rehefa manala io kiraro io ihany koa dia diovina tsara amin’ny éponge nasiana rano sy savony ny ao anatiny mba hiala ny hatsembohana sy ny loto mety niangona tao. Avy eo avela hitapy andro mba ho maina ;
-Rehefa madio sy maina tsara ny ao anatin’ireo kiraro dia rarahana talc na karibonetra rehefa hariva. Avela hilona ao mandritra ny tontolo alina mba hitroka ny ambina amandoana sy ny fofona ratsy mety tavela ao anatiny. Rehefa maraina dia esorina ny talc na ny karibonetra. Afaka atao isan-kariva moa izany ;
-Manao bà kiraro na « socquettes » rehefa manao ballerines. Ireo karazana bà kiraro ireo mantsy dia mampihena ny hatsembohan’ny tongotra sy ny fiforonan’ny bakteria ratsy ao anatin’ilay kiraro ;
-Azo atao tsara ny manandrana vokatra manokana « soins anti-transpirants » sy « déodorant » manokana ho an’ny tongotra, indrindra raha mora tsembo-tongotra. Izany dia mba hamerana ny hamandoana sy ny fiparitahan’ireo bakteria ratsy ao anatin’ny ballerines.

Lire la suite

Articles Similaires