• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Maison Du Kilt
Image
Fahalalana Ankapobeny

Lehilahy manao zipo : Kolontsaina mbola tazomin'ny tandrefana sy ny afrikana

12/02/2025 10:23 © Moov

Mbola misy firenena maromaro mampiditra ny zipo na sikina ho anisan'ny fitafian'ny lehilahy. Kolontsaina no resaka nefa fa tsy fironana any amin'ny maha-sarimbavy na fiovan'ny lehilahy fananahana.

Efa zatra "fitafy maoderina" avokoa ny ankamaroan'ny olona maneran-tany. Matetika dia toa mampiomehy ny mahita olona mbola mifikitra amina "fitafy taloha", izany hoe manohy mandala ny kolontsainy na amin'izao taonjato faha-XXI izao aza. Misy mihitsy aza moa ireo "mitsara" avy hatrany hoe mahantra na tsy mivoatra ireo olona ireo.

Fitafy mampisongadina kolontsaina miavaka

Lojika amin'ny maro ny hoe an'ny vehivavy ihany ny zipo na karazana sikina. Ny an'ny lehilahy kosa dia pataloha sy ny mitovy karazana amin'izany. Tsara nefa ny manamarika fa mbola maromaro ireo firenena izay hahitana lehilahy manao karazana zipo, na amin'ny andavan'andro na amin'ny andro fety.
-Madagasikara : Misy foko maromaro hahitana lehilahy misikina fa tsy mipataloha, indrindra ireo zokiolona sy olona manana andraikitra ambony
-Afrika Atsinana : "Kanga" na "Kisutu" no fiantso ny lamba fisikina, misy soratsoratra vita amin'ny loko midorehitra. Toy ireny "wax" ireny zany ilay lamba. Misy singa 3 farafahakeliny ilay akanjo, ka eo ny ambony, ny ambany (atao sikina manakona kitrokely) ary ny salotra.
󠁧-Écosse : « Kilt » no ilazana ny zipo fanaon’ireo lehilahy. Jupe plissée izy io, ka ampiarahana amin’ny kiraro feno sy ba lava manakona ny ranjo
-Grèce : "Fustanelle" no anaran'ilay jupe plissée misy fehikibo hoditra fanaon'ireo lehilahy any amin'ireo faritr'i Balkans.
-Inde : "Dhoti" no ilazana ny sikina fotsy asalotry ny lehilahy amin'ny tapany ambany. Misadiaka amin'ny elakela-pe ny lamba ka manome endrika pataloha malalaka. Misy kosa ireo mitafy sikina lava fotsiny.
-Japon : "Hakama" no iantsoana ny pataloha malalaka fanaon'ireo samouraïs. Misy miforitra maromaro io pataloha io, na ny aloha na ny aoriana. Rehefa jerena lavitra dia toy ny zipo ilay pataloha.
-Birmanie : "Longyi" no ilazàna ny karazana sikina, izay samy manao azy na ny lehilahy na ny vehivavy. Somary mafana moa any Azia Atsimo-Atsinanana ka mampahazo aina tsara io karazana fitafy manarona ny tapany ambany io. Ho an'ireo mponina any Birmanie, miavaka ny fiantsoana ny Longyi, ka "htamain" ny an'ny vehivavy ary "paso" ny an'ny lehilahy.
-Arabie Saoudite : Akanjo tohitena na robe lava mihitsy ny an'ny lehilahy, any amin'ireo firenena arabo. "Thobe saoudien" no fiantso azy. Anaovana izy io rehefa misy lanonana isehoana vahoaka, na eo amin'ny fianakaviana na ara-panjakana.

Lire la suite

Articles Similaires