Bouilloire : Fitandremana sy fikolokoloana tsara atao
Anisan'ny fitaovana elektrika fampiasa amin'ny andavan'andro ny "Bouilloire". Manampy antsika tokoa izy io amin'ny famanana rano. Misy nefa ireo tsara ho fantatra vitsivitsy mba tsy hahasimba vetivety ilay fitaovana sady tsy hahatonga loza.
Fanajana ireo fepetra apetraky ny mpanamboatra
Efa misy toromarika maromaro ny "bouilloire". Natao hajaina ireny soratra napetraky ny "fabricant" ireny. Anisan'izany ohatra ny fetra farany ambany sy ambony amin'ny rano. Raha kely loatra ny rano hafanaina dia mety hampitsovaka ilay fitaovana, indrindra moa raha plastika ilay bouilloire. Raha mihoatra ilay fetra voatondro kosa ny rano dia mety hivoaka ny bouilloire rehefa mangotraka ka hitarika court-circuit.
Mila hidiana tsara ihany koa ny saron'ny bouilloire. Raha tsy mihidy izany dia ela kokoa ny fotoana ilaina hampangotrahina ny rano, sady miasa be loatra ny "resistance". Mazava ho azy fa ho simba vetivety ilay fitaovana, ary misy fotoana aza hahitana "surchauffage" mihitsy. Rehefa mangotraka ny rano dia esorina ao anatin'ilay bouilloire ka afindra ao anaty fitaovana hafa. Tsy tsara loatra ny mampiasa ilay fitaovana ho solona fanaovana dite na kafe.
Torohevitra tsara arahina
Mila fitandremana ny fampiasana bouilloire, noho izy fitaovana mandeha amin'ny herinaratra. Amporisihina ny rehetra mba ny olon-dehibe ihany no hampiasa io fitaovana io. Mety hisy fipoahana mantsy raha misy rano miraraka eo amin'ilay "support" efa mitsatoka amin'ny courant, ary mety ho main'ny rano mangotraka ihany koa ny ankizy raha tsy zakany na malama tampoka ilay bouilloire.
Ireto àry misy toro tsara fantarina :
-Atsatoka amin'ny prise murale (fa tsy prise multiple) ny bouilloire ;
-Natao hampangotrahana rano ihany fa tsy ampangotrahana ronono, na handahoana pâte na hamanana laoka misy rony ilay fitaovana ;
-Andrasana mangatsiaka ny bouilloire vao mamerina mamana rano aminy indray ;
-Tsy lemana ny faritra misy ny résistance rehefa manasa ilay fitaovana ;
-Tsara raha manantona mpanamboatra raha tsy mety intsony ilay "arrêt automatique" rehefa mangotraka ny rano, na lasa ela loatra ny famanana rano.
Tsara raha diovina foana ny bouilloire isaky ny avy mampiasa. Hotsanana tsara ny ao anatiny mba tsy hisy tasy hipetaka. Fafana tsara amin'ny Chiffon mando ihany koa ny vatany ivelany mba hangirana tsara. Raha mahatsikaritra faritra may any amin'ny farany ambany dia mampangotraka rano 1 litatra misy karibonetra 2 sotro.