• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bioderma
Image
Fahalalana Ankapobeny

Ireo fahadisoana mila tandremana rehefa mikarakara tarehy misy mony

03/03/2025 15:37 © Moov.Mg

Maro tokoa ireo torohevitra sy akora natoraly mandaitra amin’ny fikarakarana sy fikolokoloana ny tarehy misy mony. Mila mitandrina hatrany anefa satria misy ireo fahadisoana tsy eritreretina nefa dia mety vao maika mampirongatra ny mony sy manimba ny hodi-tava. Andeha ary ho fantarina eto ny santionany amin’izany.

Ny fampiasana akora mahery loatra

Maro ireo karazana akora natoraly mety mandaitra amin’ny fikolokoloana ny tarehy misy mony nefa koa mety mahery loatra ka tsy zakan’ny hodi-tava. Anisan’ireo mila tandremana ary ny :
-Karibonetra noho izy « alcalin » loatra ka manakorontana ny « pH naturel » ny hoditra. Izany dia mety mahatonga « irritations » eo amin’ny tarehy tsy mahazaka azy ;
-Voasary makirana tsy mitapoka noho izy « acide » be loatra. Mety lasa mavaivay sy lasa tsy mahazaka masoandro ny tarehy misy mony ampiasana azy io ;
-Vinaigre de cidre tsy mitapoka izay mety mandoro ny hodi-tava sy mahatonga « irritation sévère ».
-Ny vahaolana : alohan’ny hampiasana akora natoraly eo amin’ny tarehy misy mony dia tsara hatrany ny manandrana azy eo amin’ny faritra kely amin’ny hodi-tava ahitana raha zaka na tsia. Atao amin’ny antonony ny fampiasana azy raha mahazaka ny hoditra.

Ny fanaovana tsirambina ny fahadiovana

Raha tsy madio tsara ny tanana na ny fitaovana ampiasaina hanamboarana ny vokatra natoraly hikarakarana ny tarehy misy mony dia mety hitondra bakteria eo amin’ny hoditra sy vao maika hampirongatra ny mony.
Alohan’ny hanamboarana ilay vokatra natoraly ary dia sasana tsara amin’ny savony ary kobanina amin’ny rano mafana ireo fitaovana rehetra hampiasaina. Diovina tsara ihany koa ny tanana sy ny hoho tanana vao mikirakira ireo akora sy ny fitaovana. Toy izay ihany koa rehefa hikarakara ny tarehy.

Ny fanaovana « gommage » matetika loatra

Manampy amin’ny fanesorana ireo loto sy hoditra maty eo amin’ny tarehy ny fanaovana « gommage ». Tsy azo atao matetika loatra kosa nefa izany raha manana tarehy misy mony na be mony. Mila tandremana tsara satria :
-Anisan’ireo mety mandratra sy manimba ny hoditra ny « gommage à grain » mahery loatra toy ireo vokatra natoraly misy siramamy, sira, tain-kafe… ;
-Rehefa kosehana matetika loatra amin’ny alalan’ny « gommage » ny hodi-tava dia lasa mamokatra « sébum » betsaka kokoa ka vao maika tsentsina ny mason-koditra ary mirongatra ireo mony.
Tsara ary raha « gommage » malefaka, ohatra vita amin’ny tanimanga na amin’ny « avoine » no ampiasaina ary tsy atao mihoatra ny in-droa isan-kerinandro.

Lire la suite

Articles Similaires