• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jardiland
Image
Fahalalana Ankapobeny

Krismasy : Fety ho an'ny rehetra, na inona na inona finoana

24/12/2024 10:48 © Moov

Fahatsiarovana ny nahaterahan'i Jesoa Kristy ny krismasy. Ireo mpanaradia ny fivavahana kristiana no tena voakasika araka izany. Efa natao ho andro tsy fiasana manerantany nefa ity andro androany ity, ka izany no ilazàna azy hoe fety ho an'ny rehetra.

Ny "silamo", ny "témoin de Jehovah" sy ny "orthodoxe" no tsy mankalaza ny krismasy amin'ny ankapobeny. Samy manana ny foto-kevitra ijoroany mantsy ny finoana tsirairay, na dia lazaina fa Andriamanitra iray ihany aza no ivavahana.

Krismasy, fety ara-barotra

Samy manana ny antony ankalazany ny krismasy ny tsirairay. Misy ireo manao izany noho ny fivavahana arahiny. Izany indrindra no mahafeno hipoka ny trano fiangonana kristiana rehetra amin'izao ndro noely izao. Misy kosa ireo tsy mankalaza tsotr'izao noho finoany.
Amin'ny ankapobeny nefa, tsikaritra fa ny varotra no tena manjaka. Fety goavana hanararaotana hamarotana entana sy sakafo isan-karazany ny krismasy. Mandeha be ny fitafy, ny haingon-trano sy ny kilalao satria samy te hifaly avokoa ny rehetra. Tsy adino ny hanimpitoloha izay ezahin'ny fianakaviana rehetra atao, na eo aza ny fahasahiranana. Saika manangana "sapin" avokoa ny tokantrano tsirairay, mba ho haingo miavaka sy mifanaraka amin'ilay fety no tazana ao an-trano.
Raha ny teto Antananarivo manokana, nitohana tanteraka ny fifamoivozana nialoha ny fety. Nitombo isa na ireo mpiantsena na ireo mpivarotra. Misy tsenabe manokana ohatra eny Mahamasina, Anosy, Antanimbarinandriana, Antaninarenina sy Analakely. Fotoana tena amoahan'ny olona vola mantsy ny krismasy. Misy mihitsy aza ireo "mitrosa" mba hitovy amin'ny hafa, indrindra ny laoka manitra sy ny kilalao ho an'ny ankizy.

Sakafobe sy fandaharampotoana samihafa

Tsy vitsy ireo misafidy hamonjy ny trano fiangonana amin'izao noely izao, na ireo tsy zatra mankany aza isan'alahady. Misy kosa ireo mijanona ao an-trano mikarakara sakafo sady miandry vahiny. Raha ho an'ny ankamaroan'ny malagasy, andro iray fanaovana fety ny krismasy. Saika hena kisoa matavy sy akoho na Vorona avokoa ny laoka. Misy mihitsy aza moa ireo fianakaviana mihinana vorintsiloza. Tsy adino ireo karazana "entrée", ka ny mahazatra indrindra dia ny "macaroni" ampiarahana amin'ny "mayonnaise" sy "sardine". Tena fihinanana sakafo matsiro toy ny "charcureteries" sy ny "fromages" ihany koa ny fety toy izao. Tokony fidiana tsara nefa ireo sakafo hanina, mba hisorohana ny aretina, indrindra ny fanapoizinana ara-tsakafo. Tsara raha jerena ny "Date limite de consommation" (DLC) rehefa mividy sakafo indostrialy, na ranomboankazo na ventikanina.

Lire la suite

Articles Similaires