• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Futura Sciences
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fikarakarana vatana : Inona avy ireo maha-antitra vetivety ?

24/12/2024 08:02 © Moov

Samy te hitazona ny endriny sy ny bikany avokoa na lahy na vavy. Rehefa manakaiky ny faha-40 taona, manomboka taitra amin'ny fikarakarana vatana avokoa ny rehetra. Tsy tokony hiandry izany taona izany nefa vao mikajy ny fahasalamana sy ny endrika ivelany.

Fikentronana, firorahana, fahamainan'ny hoditra : santionan'ny fipoiran'ny fahanterana ireo. Tsy vitsy ireo mandany volabe mba hahalava kokoa ny fahatanorana. Tsara sorohana noho izany ireo fomba fanao, fitaizana vatana na fisakafoanana mety haha-antitra vetivety.

Ny tsy fahampian'ny rano sotroina

Mila misotro rano 1,5 hatramin'ny 2 litatra ny olon-dehibe tsirairay. Matetika isika dia alaim-panahy hisotro "jus" na hihinana "glace" rehefa mangetaheta. Rano tsy misy fangarony nefa no tena ilaina, ary tokony hahafeno ilay fatra tadiavin'ny vatana hatrany na dia mandray zava-pisotro isan-karazany aza.
Rehefa tsy ampy ny rano sotroina dia miha-maina ny hoditra sady mora mikentrona. Sahirana ihany koa ireo taova fandevonan-kanina manao ny asany. Miasa mafy ihany koa ny voa mamoaka ny loto any amin'ny pipi.

Ny fihinanana sakafo matsiro loatra

Zary fahazarana ny fandehanana any amin'ny "restaurant" sy ny "gargotte" etsy sy eroa. Mahafinaritra tokoa izany satria hahafahana manandrana sakafo matsiro sy iarahana amin'ny fianakaviana. Raha te ho salama sy tanora lalandava nefa, mila fidifidiana tsara ny sakafo hanina.
Ny voankazo sy ny legioma ary ny hena fotsy no azo lazaina fa tena mahasalama. Tsy dia mahasoa ny olombelona ny hena mena. Misy fiantraikany ratsy amin'ny vatana ihany koa ireo karazana hanitra simika manimanitra, indrindra rehefa atao betsaka. Tsy adino ny manamarika fa maha-antitra vetivety ny matavy sy ny mamy ary ny sakafo misy "conservateurs". Azo atao tsara ny mifidy "menus" ho an'ny fianakavianakely ao an-tokantrano, ary mikarakara hatrany ny sakafo rehetra hanina.

Ny fahakizitinana sy ny fiasan-tsaina loatra

Mikentrona ny hoditra sy ny taova any anaty rehefa kizitina sy miasa saina be iny, indrindra raha miverimberina na maharitra izany. Mety tsy ho hita eo no ho eo ny fiovana, saingy rehefa mandeha ny fotoana dia ho tsikaritra fa misy "firodanana" na ny endrika na ny vatana. Raha mahatsikaritra isika dia ilay miferotr'aina iny no mankarary an-doha sady tsy mampazoto homana. Noho izany indrindra, mila mahay mifehy tena sy "mahay miaina" raha tsy te ho antitra vetivety. Tsy maintsy mandalo olana avokoa ny rehetra, na amin'ny fianana manokana na amin'ny asa, saingy mila raisina amim-pifaliana sy amin'ny fijery mihiba izany.

Ny fandraisana zava-mahadomelina

Misy voka-dratsiny amin'ny vatana na ny sigara, na ny paraky na ny zava-pisotro misy alikaola. Tafiditra ao anatin'ny zava-mahadomelina ihany koa ny kafe rehefa sotroina be loatra sady iankinan-doha tanteraka. Miantraika any amin'ny atidoha ny zava-mahadomelina ka mampiadana ny fiasany. Mety toa matsilo sy mazoto be rehefa avy misotrosotro na avy mifoka sigara, fa rehefa ela ny ela dia mety ho very tadidy na tsy mahavita asa intsony. Manapotika tsikelikely ny taova ihany koa ny zava-mahadomelina sady mampihena ny hery fiarovana.

Ny tsy fampiasam-batana

Ilain'ny vatana ny fanatanjahan-tena. Tena ilaina ny fiara sy ny kodiaran-droa amin'ny fivezivezena isan-karazany, tsy tena mandreraka ihany koa ny mipetraka eo amin'ny Birao fiasana mandritra ny adiny valo, saingy mila mihetsiketsika na dia 15 minitra isan'andro aza. Azo atao tsara ohatra ny mandeha tongotra, mihazakazaka na mandihy. Raha ny tena tsara dia miditra amin'irony "salle de sports" ireny, ka manaraka "entraînement" manokana, eo ambany fiahiana mpitarika matihanina.

Ny masoandro

Mahasoa ny masoandro sady mitondra vitamina E ho an'ny hoditra. Fotsy hatsatra hafahafa izany ny olona iray rehefa mihidy ao an-trano foana. Na izany aza, tsy mahasoa ny hoditra ny main'ny masoandro. Manapotika ny hoditra mantsy raha mamay loatra nefa tsy misy fiarovana. Izany indrindra no ilàna ny satroka na elo amin'izao andro mafana izao, raha voatery handeha amin'ny toerana taratry ny masoandro mandritra ny fotoana maharitra. Amporisihina ihany koa ny fampiasana crème anti-UV (vokatra azo antoka) isaky ny hivoaka ny trano.

Lire la suite

Articles Similaires