• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Protection Nuisibles
Image
Fahalalana Ankapobeny

Ireo voninkazo mampitsoaka moka, fanao eo am-baravarankely na amin'ny zaridaina

13/11/2024 07:56 © Moov

Sady manelingelina no mankarary ny kaikitry ny moka. Manahirana tokoa ny miaina amin'ny trano be moka, indrindra raha tsy mahazaka odimoka misy vokatra simika ireny. Ireto àry misy karazam-boninkazo tsara atao eo am-baravarankely sy eo an-jaridaina, mba hampitsoaka ny moka.

Samy hita eny amin'ireo mpivaro-boninkazo mahazatra avokoa ireto voninkazo tanisaina ireto.

Verveine citronelle

Mandady mahafinaritra ery ny Verveine, sady misy loko maro azo isafidianana ny felany. Misy karazany antsoina hoe "Verveine citronelle" izay manana hanitra manentoento. Fanaovana huiles essentielles sy dite ihany koa izy io.

Basilic

Hanitra fanao amin'ny sakafo no tena hahalalana ny Basilic. Tsara ho fantatra nefa fa anisan'ny mampitsoaka moka na "repulsif anti-moustiques" ihany koa io zava-maniry io. Azo ambolena anaty vazim-boninkazo (vita amin'ny argile na plastique) ny Basilic, sady azo atao amin'ny tany ihany koa. Rehefa manondraka azy dia ny vodiny no asiana rano fa tsy ny raviny.

Menthe

Mbola manome hanitra tsara ny sakafo ihany koa ny Menthe, indrindra ho an'ny sakafo mamy. Atao eo am-baravarakely ny Menthe maniry tsara, sady asiana ihany koa ny fidirana eo am-baravarana. Azo ampaniriana tsara eo an-jaridaina ihany koa ny Menthe, na amin'ny tany na ao anaty tavy. Raha tsy he hamboly kosa, azo atao ny mividy ravina menthe, ka hamainina, ary apetraka ao an-trano.

Romarin

Saika hanitra atao amin'ny sakafo avokoa no tena tsy tian'ny moka. Ny tena tsara dia ambolena amin'ny toerana azon'ny masoandro tsara izy. Mazava ho azy, azo angalana ny raviny rehefa te hikarakara sakafo iny.

Pélargonium

Mitovitovy amin'ny Géranium ihany ny Pélargonium. Somary marokoroko nefa ny raviny raha tsapaina, sady mamoaka fofona manitra izy. Voloparasy na mavokely matetika ny felany. Mampitsoaka moka tokoa ny fofony, sady manamanitra ny tanàna. Marobe ireo manamboatra huiles essentielles no mampiasa ny Pélargonium.


Copyright Image : © Le Parisien

Raha manana "espace détente" eo an-jaridaina dia tsara raha apetraka manakaiky ireo seza fakana aina ny iray amin'ireo voninkazo ireo. Azo antoka fa tsy ho lanin'ny moka rehefa maka aina ivelan'ny trano, na dia harivariva aza.



Lire la suite

Articles Similaires