• Cours de change
  • 5142.8 AR
  • |
  • $4453.4 AR
Copyright Image : © Pinterest
Image
Fahalalana Ankapobeny

Akanjo tratry ny lokom-bolo : ahoana ny fomba atao hanesorana ny tasy ?

03/08/2025 14:29 © Moov.Mg

Toe-javatra mety mitranga ny hoe tratry ny lokom-bolo ny akanjo. Raha loko « semi-permanent » dia mety ho afaka ilay tasy rehefa sasana matetika ilay lamba. Raha loko « permanent » kosa dia tsy ho afaka ho azy izany fa mila esorina manokana. Ahoana ary ny fomba atao hanalana ny tasy eo amin’ny akanjo tratry ny lokom-bolo ?

Diovina amin’ny rano sy savony ny akanjo tratry ny lokom-bolo

Raha mbola mando ilay tasin’ny lokom-bolo eo amin’ny akanjo dia lemana amin’ny amin’ny rano mangatsiaka haingana eo amin’izany. Tsy azo atao rano mafana satria mety vao maika hampiraikitra ilay loko ilay hafanana. Osorana savony fanasan-damba na fanasana lovia eo amin’ilay tasy ary kosehana moramora. Kobanina amin’ny rano tsara rehefa vita. Averimberina imbetsaka raha ilaina mandrapialan’ilay tasy.

Sasana amin’ny vinaigitra fotsy sy savony fanasana lovia

Fangaro iray fampiasa hanesorana karana tasy amin’ny lamba izy ity. Mety mandaitra hanadiovana ny akanjo tratry ny lokom-bolo ihany koa. Afangaro ary ny vinaigitra fotsy 1 sotro fihinanana sy ny savony fanasana lovia 1 sotrokely ary rano matimaty 2 kaopy. Petapetahana amin’ny lamba novontosana io fangaro io eo amin’ilay faritra tratry ny tasin’ny lokom-bolo. Avy eo kosehana moramora amin’ny borisy nify. Avela hilona mandritra ny 15 minitra alohan’ny hanakobanana azy amin’ny rano mangatsiaka. Rehefa vita izay dia sasana toy ny mahazatra ilay akanjo.

Diovina amin’ny « eau oxygénée »

Vokatra iray mahery vaika mety manampy hanesorana ny tasin’ny lokom-bolo eo amin’ny akanjo ny « eau oxygénée ». Satria moa mitahiry akora simika izy ity dia mila fitandremana ny fampiasana azy. Manana fiasa manafotsy ny lamba ihany koa moa izy io ka tsara raha ny akanjo fotsy na miloko matsatso kely no ampiasana azy. Afangaro ary ny « eau oxygénée » 1 sotro fihinana sy ny rano mitovy fatra. Io fangaro io no apetapetaka eo amin’ilay tasy amin’ny alalan’ny « coton tige » na lamba madio. Avela hiasa mandritra ny 15 minitra avy eo kobanina tsara amin’ny rano mangatsiaka. Rehefa vita izay dia sasana toy ny mahazatra ilay lamba.

Lire la suite

Articles Similaires