• Cours de change
  • 5044.79 AR
  • |
  • $4518.09 AR
Copyright Image : © Comment-Economiser
Image
Fahalalana Ankapobeny

Ireo fikafika natoraly hanarenana ny molotra maintin’ny sigara

15/05/2025 16:22 © Moov.Mg

Mitondra vokadratsy maro eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana ny fifohana sigara. Ankoatra ny aretina samihafa toy ny aretin-ny havokavoka, aretim-bavony, homamiadana… dia lasa mahamainty molotra ihany koa izy io. Ny fialana sigara moa no vahaolana mandaitra indrindra hanarenana izany. Ankoatra izay dia misy ireo fikafika natoraly mampazava ny molotra maintin’ny sigara toy ireto zaraina manaraka ireto.

Voasary makirana, manampy mampazava ny molotra maintin’ny sigara

Voankazo manankarena vitamina C ny voasary makirana. Ny vitamina C dia manana fiasa « éclaircissants » na mampazava. Tsotra ny zavatra atao, hosorana ranona voasary makirana moramora eo amin’ny molotra rehefa alina, alohan’ny hatory iny. Kobanina izany rehefa maraina. Mila mitandrina tsara kosa nefa satria lasa tsy dia mazaka masoandro ny hoditra nosorana voasary makirana. Noho izany dia tsy adinoina ny manosotra « baume à lèvres » ny molotra mandritra ny tontolo andro.

Tantely sy siramamy atao « gommage »

Akora natoraly manampy betsaka mampazava ny molotra maintin’ny sigara ny tantely sy siramamy. Miasa toy ny « gommage » malefaka manampy amin’ny fanesorana ireo sela maty eo amin’ny molotra ary mamerina ny lokon’ny molotra natoraly izy io. Afangaro ny tantely tapaky ny sotrokely sy ny siramamy ¼ ny sotrokely. Io fangaro io no hikosehana moramora ny molotra mandritra ny minitra vitsy, avy eo kobanina.

Tamotamo sy ronono, mampihena ny famatrohan’ny lokon’ny molotra

Manampy betsaka amin’ny fampihenana ny « pigmentation » manome loko matroka ny molotra eo amin’ireo mpifoka sigara ny fangaro azo amin’ny tamotamo sy ronono. Ny tamotamo moa dia mitahiry singa maro manampy amin’ny fiarovana sy fikolokoloana ny hoditra. Alaina ary ny tamotamo vovony 1 tsongo sy ny ronono kely fotsiny. Afangaro mba hahazoana paty marihitra. Ahosotra eo amin’ny molotra, avela hipetraka eo 5 minitra avy eo kobanina amin’ny rano matimaty.

Fanamarihana

Marihana fa mila averimberina atao matetika ireo torohevitra ireo vao mahita vokatra tsara. Tandremana tsara tsy ho adino ny manamandina ny molotra isan’andro amin’ny alalan’ny fampiasana « baume hydratant » mba hikoloana ny fahasalamany. Tsara raha « baume » azo antoka novidiana tany amin’ny farmasia no ampiasaina.

Lire la suite

Articles Similaires