• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Gifts With A Difference
Image
DYI

Fomba fanamboarana saribao amin’ny potika taratasy

09/01/2024 14:59 © Moov.Mg

Miroborobo miaraka amin’ny fandrosoana ireo karazana angovo azo ampiasaina amin’ny fandrahoana sakafo. Ho an’ireo maniry ampiasa angovo tsy lafo vidy ary azo amboarina ao an-trano dia atoro eto ny fomba fanaovana saribao vita amin’ny potika taratasy.

Ireo zavatra ilaina raha hanao saribao vita amin’ny potika taratasy

-Potika taratasy na baoritra tsy ilaina intsony ;
-Vovo-tsaribao na fopitra (ilay tany mainty eny an-tanimbary avy nandorana biriky ireny);
-Rano ;
-Lasitra ;
-Barika na koveta.

Ireo dingana amin’ny fanaovana azy

Potehina ao anaty barika na koveta lehibe ny taratasy na ny baoritra tsy ampiasaina intsony. Avy eo rarahana rano. Tsara raha rano mafana no ampiasaina mba ho mora malemy sy vonton’ny rano ireo taratasy na ireo baoritra.
Rehefa malemy ireto farany dia sivanina sao misy « scotch » miraikitra na misy « sachet » manaraka. Jerena tsara sao misy zavatra hafa manaraka dia esorina ireny fa tsy ilaina sady manimba ny kalitaon’ny saribao amboarina.
Vita izay dia totoina raha hita fa mbola tsy malemy tsara. Mila mahazo feta malemy toy ny paty rehefa vonton’ny rano sy voapotipotika tsara ireo taratasy na ireo baoritra. Rehefa mahazo feta dia fihazana tsara ary ariana ny ranony.
Alaina ny vovo-tsaribao malemy tsara na ny fopitra. Afangaro amin’ny potika taratasy namboarina teo aloha ary atao mifangaro tsara. Avy eo volavolaina ary atao anaty lasitra. Raha tsy manana lasitra dia volavolaina amin'ny tanana atao boribory.
Rehefa vita izay dia atapy amin'ny masoandro amin'izay avy eo. Tsy misy fatrany fa rehefa miraikitra mifangaro tsara ireo akora rehetra dia efa mety ny saribao vita amin’ny taratasy na amin’ny baoritra. Tsara ihany nefa raha tsy atao lehibe loatra ny haben’ny saribao mba hahamora ny fampiasaina azy.

Lire la suite

Articles Similaires