• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Samauma Des Soins Engagés
Image
DIY&Kolo-endrika&bika

Ambin-tsavony : aza ariana intsony fa azo hanaovana savony vaovao !

22/11/2024 10:35 © Moov.Mg

Maro tokoa ireo ambin-tsavony avy nanasana lamba na nanasana lovia ao an-trano no tsy hita intsony izay ampiasana azy ka ariana fotsiny. Tsy voatery ariana izy ireny fa azo hangonina hanamboarana savony vaovao indray. Araho eto ary ny fomba fanaovana izany.

Atsonika ny ambin-tsavony hanamboarana savony vaingany vaovao

Afaka hangonina ireo ambin-tsavony hanaovana savony vaingany vaovao azo ampiasaina indray. Tsy mila akora betsaka sady mora atao. Arotsaka anaty vilany ireo ambin-tsavony. Tapohana rano tokony eo amin’ny 70 ml ho an’ny savony 100g eo ho eo. Manarak’izay dia arotsaka ny menaka zavamaniry toy ny huile de ricin na huile d’argan.
Azo atao ihany koa ny manisy huiles essentielles kely raha tiana ho manitra tsara ilay savony. Marihana kosa nefa fa tsy tsara asiana huiles essentielles raha ampiasaina amin’ny ankizy na bevohoka ity savony amboarina ity.
Aroharoana mba hifangaro tsara mandrapangatsiaka ny fangaro. Zaraina anaty lasitra io fangaro io. Avela ho maina mandritra ny andro vitsivitsy. Avy eo atao anaty congélateur mandritra ny adiny 3 na 4 mba hivaingana mafy tsara.

Ahodina ho lasa savony ranony ny ambin-tsavony

Fomba iray afaka ampiasana ny ambin-tsavony ihany koa ny fanodinana azy ho lasa savony ranony. Tsotra ny fanaovana azy ity. Hangonina ary hamainina tsara avokoa ireo ambin-tsavony tsy ampiasaina intsony.
Rehefa maina dia potserina anaty « mixeur » mba ho lasa vovony manify. Io vovony io no arotsaka anaty vilany ary afangaro amin’ny rano. Ataingina eo ambony afo sady aroharoana kely. Afaka asiana huiles essentielles kely, toy ny huile essentielle de pamplemousse, ylang-ylang… mba hanomezana fofona manitra azy.
Mba hampifangaro tsara ity ranon-tsavony ity dia tsara raha fouet no ampiasaina rehefa manafangaro azy. Marihana fa mety mihamafy ity savony ity rehefa mihamangatsiaka ka tsara raha tapohana rano tsara izy io mandrapahazoana ny harihitra tadiavina. Arotsaka anaty tavoahangy vera rehefa vita.

Avadika ho lasa ranon-tsavony fanasana lovia (liquide vaisselle)

Azo atao ihany koa ny mamadika ny ambin-tsavony tsy miasa intsony ho lasa ranon-tsavony fanasana lovia. Mazava ho azy fa tsy afaka ampiasaina eto ny ambin-tsavony manitra fandroana. Ireo ambin-tsavony nanasana lamba tsy mahery fofona no mety eto.
Hangonina avokoa ary ireo ambin-tsavony ary atao anaty vilany kely. Avy eo rarahana rano mafana tokony eo ho eo amin’ny 500ml eo ho an’ny savony 30g. Arotsaka ao manarak’izay ny karibonetra 1 sotro fihinanana, ny savon noir voakiky 1 sotro fihinanana ary ny cristaux de soude 1 sotro fihinanana. Afaka asiana huile essentielle de citron kely raha tiana fa tsy voatery.
Ataingina eo ambony afo malefaka ny vilany ary aroharoana amin’ny fouet ireo fangaro. Esorina teo ambony afo rehefa mifangaro tsara daholo ireo akora rehetra sy lasa somary marihitra kely ilay ranon-tsavony. Mety tsy handroatra be izy ity rehefa ampiasana nefa kosa tena azo antoka fa manadio tsara ny lovia sy fitaovana an-dakozia diovina aminy.

Lire la suite

Articles Similaires