• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Linfodrome
Image
DIY&Kolo-endrika&bika

Torohevitra fanadiovana ny jiron’ny fiara

11/11/2024 15:41 © Moov.Mg

Zavatra iray isan’ny manahirana maso tokoa ny mahita ny jiron’ny fiara maloto. Mampaloto azy ireny avokoa na ny vovoka, ny bibikely mipitika sy ireo loto isan-karazany entin’ny rivotra eny aminy. Rehefa miangona eo ny loto dia sady manaratsy endrika ilay jiro no mampihena ny kalitaon’ny fanazavany ny lalana. Ireto ary misy torohevitra tsotra hanadiovana tsara ny jiron’ny fiara.

Sasana amin’ny karibonetra

Mandaitra amin’ny fanadiovana isan-karazny ao an-trano ny karibonetra. Azo ampiasaina hanadiovana ny jiron’ny fiara ihany koa izy ireny. Tsotra ny fampiasana azy, lemana ny éponge ary rarahana karibonetra iray sotro fihinanana eo amboniny. Kosehana tsara amin’io éponge ilay jiron’ny fiara avy eo kobanina amin’ny rano madio.

Kosehana amin’ny « dentifrice »

Efa maro ihany koa ireo fampiasana ny « dentifrice » amin’ny fanadiovana samihafa ao an-trano. Osorana « dentifrice » amin’ny tanana eo amin’ny fitaratr’ilay jiro. Atao rakotra tanteraka mihintsy ity farany. Afaka mampiasa lamba kely ihany koa moa raha tsy te hanositra mivantana izany amin’ny tanana. Avy eo kosehana manao boribory amin’ny borosy nify efa tsy ampiasaina intsony ilay jiro. Rehefa vita izay dia kobanina tsara ary avela ho maina.

Fafana amin’ny bà « collants »

Ny tasin’ny fatina bibikely nipitika sy niraikitra teo amin’ny jiron’ny fiara no isany mampaloto azy ireny. Mba hanadiovana azy ireny dia fafana amin’ny bà « collants » nahorina natao boribory ny fitaratr’ilay jiro. Tsy lemana fa tonga dia kosehana mora fotsiny mba hiala ireo tasy ireo. Rehefa niala tsara ireto farany vao sasana toy ny mahazatra amin’ny rano sy savony.

Lire la suite

Articles Similaires