• Cours de change
  • 4688.34 AR
  • |
  • $4422.6 AR
Copyright Image : © Qare
Image
Sexualité & Mariage

Mbola mahamenatra ve ny hoe bevohoka tsy manambady ?

25/02/2023 07:14 © Moov.Mg

Maro amin’ireo vehivavy bevohoka tsy manambady no voahiliky ny raiamandreny sy ny fianakaviana. Matetika izany fanilihina izany dia noho ny tahotra sy henatra ny fiarahamonina. Ankehitriny, tsikaritra fa somary mihalefy ny fanenjehana sy ny tondromolotra atao amin’ireo vehivavy bevohoka tsy manambady. Inona ny mety ho anton’izany ?

Mivoatra ny toe-tsaina eny amin’ny fiarahamonina

Nitondra fivoarana teo amin’ny toe-tsain’ny Malagasy ny fanatotoloana. Niova noho izany ny fijerin’ny fiarahamonina ny vehivavy bevohoka tsy manambady. Nanjary nalala-tsaina ny olona ka mijery lafin-javatra maro vao mitsara na manome tsiny. Anisan’izany ny fiheverana ny taona sy ny fahafana ara-bola amelomana irery ilay zaza. Mihena ny fanenjehana ny vehivavy bevohoka tsy manambady izay nahavita fianarana, sokajiana efa nahazo taona, manana anton’asa… Mbola voatsikera ihany kosa nefa ireo tovovavy mbola kely taona sy tsy an’asa izay bevohoka tsy manambady.

Miamalefaka ny famehezan’ny finoana

Anisan’ny miteraka tahotra sy henatra hoan’ny vehivavy bevohoka tsy manambady sy ny fianakaviany ny fijerin’ny mpiray finoana. Sokajiana ho fahotana mantsy ny miteraka tsy manambady ho an’ny ankamaroan’ny finoana misy eto Madagasikara. Efa maro kosa anefa ireo fiangonana tsy manenjika ireo vehivavy lazaina hoe « solafaka » ireny. Misy amin’izy ireny ary no mampahery sy mampitraka hatrany azy ireo eo amin’ny fiainana.
Anisan’ny azo deraina manokana ireo vehivavy mitaiza irery ny zanany satria na mety nitsoahan’ny rain-janany aza dia tsy nahavita nanala zaza.

Miamahaleo tena ny vehivavy

Niova tanteraka ny fomba fisainan’ny vehivavy amin’izao vanim-potoana izao. Efa maro ireo nahita fianarana ary efa maro ireo miasa sy mahavelontena. Afaka tanteraka ny toe-tsaina miantehitra ny lehilahy sy tsy ampy fahatokisan-tena. Nanjary tsy manaiky fehezin’ny fitsarana sy fitsikeran’ny fiarahamonina. Hoan’ny vehivavy maro dia safidy ny miteraka tsy manambady. Tsy henatra ho azy ireny intsony izany ary raisiny tanteraka ny andraikitra mifandraika amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo