• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Besthqwallpapers
Image
Madagasikara

Vakansy miavaka : 'Ndao hitsidika ireo vazantany efatr'i Madagasikara

03/07/2024 14:13 © Moov

Anisan'ny tanjon'ny Ministeran'ny Fizahantany ny fampiroboroboana ny fizahantany eto an-toerana. Tsy ireo vahiny ihany no sarihana hitsidika an'i Madagasikara, fa isika eto an-toerana indrindra no tena amporisihina hizaha ireo faritra mahavariana eto amin'ny nosintsika. Ireto àry misy toerana miisa efatra tsara aleha amin'izao fialan-tsasatra izao, hahafahana mitety ny tendron'i Madagasikara rehetra.

Sainte-Marie

Manankarena toerana mahafinaritra tokoa iny faritra Atsinanana iny. Raha te hahita ireo "baleines" eny an-dranomasina sady hisitraka ireo torapasika toy ny paradisa, azo atao tsara ny mankany Sainte-Marie na Nosy Boraha. Ao avaratr'Atsinanan'i Fenoarivo Atsinanana na ao avaratr'i Soanierana Ivongo no misy io toerana io. Raha mandeha fiara dia mila mihazo an'i Toamasina, mankany Soanierana Ivongo, ary mandray sambo.

Marobe ireo toerana azo mahasarika mpizahatany, toy ny "Cimetière des pirates", ny "phare de Blevec", ny "phare Effeil" sy ny "Ilot Madame". Ho hitanao ao an-toerana ihany koa ny Eglizy Katolika voalohany eto Madagasikara. Rehefa volana jolay moa no tena be olona any an-toerana noho ny fijerevana Baleine.


Copyright Image : © Generation Voyage

Nosy-Be

Anisan'ny faritra tena manintona mpizahatany tokoa i Nosy-Be. Any amin'ny faritra avaratry ny Nosy no misy azy. Eo Ambondromamy, sampanan'i Mahajanga no mivily mianavaratra, toy ny hoe ho any Antsiranana. Mihazo ny seranantsambon'Ankify avy eo, ka miampita sambo. Ireo nosikely any an-toerana no tena mahavariana : Nosy Komba, Nosy Iranja, Nosy Sakatia, sns. Tsy adino ireo toerana hahafantarana misimisy kokoa ny kolontsaina Sakalava, dia ny hazo manankasina sy ny mozea. Ho an'ireo te hahita biby maro dia tsara raha mitsidika ny Nosy Komba. Hita ao ny gidro, ny bibilava, ny sokatra, ny voronkely isankarazany sy ny tarondro.


Copyright Image : © Madagascar-Nosy-Iranja

Tsiribihina

Anisan'ireo toerana mampiavaka an'i Madagasikara ny reniranon'i Tsiribihina, any amin'ny faritra Andrefana iny. Izy io no renirano lava indrindra eto amin'ny Nosy. Araka ny anarany, tsy tokony irohobana ny rano satria be voay. Azo itsangatsanganana tsara ny rano, amin'ny alalan'ny fitaingenana sambo. Mitsotsotra eny amoron-drano eny (toerana lalovana manditra ny dia an-tsambo) ireo voay amin'ny atoandro. Mazava ho azy fa misy toeram-pandraisam-bahiny eny an-toerana. Mifarana any amin'ny Belo sur Tsiribihina, faritr'i Morondava moa ny dia an-tsambo.
Anisan'ny fialamboly tena manintona ny maro ny fidirana ao amin'ny "Parc national Tsingy Bemaraha". Tafiditra ao anaty lisitry ny harena ara-kolontsain'ny UNESCO io toerana io nanomboka tamin'ny taona 1990. Raha avy any Morondava dia mianavaratra ka mandeha eo ho eo amin'ny 150 kilometatra. Ny volana jona hatramin'ny volana novambra no azo itsidihana ny toerana. Ratsy mantsy ny lalana rehefa avy ny orana. 157 710 hektara be izao ny toerana, izay hahitana ireo vatobe mahavarina toa ireny vato any ambany ranomasina ireny. Efa misy "circuit" arahina moa hahitana ireo vato, biby, rano sy toerana mahaliana rehetra. Mety haharitra andro maromaro ny fitsidihana araka izany.


Copyright Image : © Tsiribihina-River-Descent-by-Motor-Boat

Lavanono

Any Toliara, faritra Androy, no misy an'i Lavanono. Any Atsimo Andrefana no misy io tanana kely fonenan'ny Antandroy io. Raha miainga eo Tolagnaro (Fort-Dauphin), dia mbola misy lalana eo ho eo amin'ny adiny fito. Somary "desert" ny any an-toerana noho ny toetr'andro tena mafana, saingy mahasondriana ery ny hatsaran'ny torapasika sy ny ranomasina. Ahitana alala misy gidro ihany koa any an-toerana. Mahazo tombony ihany koa ireo mpitsidika satria misy sokatra efa ho lany tamingana any an-toerana, dia ny pyxis sy ny radiata. Raha maniry toerana mangingina sady mahatamana hanadinoina ireo olana andavan'andro dia tena toerana tena tsara aleha i Lavanono. Na ririnina aza ny andro, izany hoe ny volana jona hatramin'ny septambra, dia tsy mangatsiaka velively any an-toerana. 25°C mantsy ny maripana ambany indrindra.


Copyright Image : © 12-2014

Lire la suite

Articles Similaires