• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Korii
Image
Madagasikara

Andro maneran-tany tsy ampiasana harona plastika : ‘ndeha hiara hientana !

03/07/2024 09:58 © Moov.Mg

Marihana isan-taona ny faha 3 ny volana jolay ny andro maneran-tany tsy hampiasana. Maro ny vokadratsy ateraky ny fako plastika raha tsy hiresaka afa-tsy ny fandotoana ny tanana sy ny tontolo iainana. Ahoana ary ny tokony atao ho fiaraha-mientana amin'ny tsy fampiasana harona plastika eto Madagasikara ?

Ireo vokadratsin’ny fako plastika

Alohan’ny hiresahana ireo fihetsika tokony atao ho fiaraha-mientana hiadiana amin’ny fako plastika dia tsara hatrany ny mahafantatra ny vokadratsin’ireto farany. Ny vokatra plastika dia azo lazaina ho tsy mety levona satria maharitra hatramin’ny 400 taona eo ny androm-piainany. Matetika ihany koa izy ireny dia maivan-danja ka mora entin’ny rivotra sy miparitaka eny rehetra eny.
Noho izany, rehefa manary fako plastika eny an-dalambe na koa eny amin’ny fitobiam-pako eny isika dia lasan’ny rivotra ireny fako ireny ka lasa mandoto tanàna fa indrindra manentsina ny tatatra. Ireo karazana fako toy ny « sachets », tavoahangy, fonosana sakafo… ireny matetika no miandrona anaty lalan-drano. Rehefa ireny tatatra ireny dia izay no mahatonga ireny rano miakatra hitantsika rehefa fahavaratra ireny.
Misy ihany koa etsy andaniny ireo fako plastika misy manary eny amin’ny tora-pasika. Mitombo ny habetsak’izany mandritra ny fotoan’ny fialantsasatra satria maro ireo mpiala-sasatra mamonjy ranomasina. Mivarina eny amin’ny ranomasina ny ankabeazan’izy ireny fako ireny ka lasa mandoto ny tontolo iainana an-dranomasina. Maro ireo zava-manan’aina marary sy maty vokatr’izany fako plastika mandoto ny ranomasina izany.

Ireo fihetsika atao hiadiana amin’ny fako plastika

Ampiasaina amin’ny sehatra maro eto amintsika ny vokatra plastika. Ahitana azy ireny avokoa na eny amin’ny toeram-piasana, ao amin’ny ankohonana, tsena, toeram-pianarana… Mbola sarotra amintsika noho ny hamongatra tanteraka ny fampiasana azy ireny, nefa kosa azo atao ny mametra izany sy manao izay tsy hiparitahany eny rehetra eny. Anisan’ny tokony atao amin’izany ny :
-Fampiasana harona vita amin’ny rafia rehefa miantsena. Raha tsy maintsy hampiasa « sachet » plastika dia tehirizina sy averina ampiasaina izy ireny ka rehefa simba vao ariana ;
-Zava-pisotro anaty tavoahangy vera no vidiana ;
-Fadiana ny manary ny fako plastika eny rehetra eny. Atokana hatrany ny fako plastika ary homena an’ireny mpandray fako plastika ireny mba ho ahodina ho vokatra vaovao ;
-Angonina ny fako ary atao eny amin’ny fanariana natokana amin’izany rehefa eny amin’ny tora-pasika fa tsy aririana eny ankalamanjana eny ;
-Dieny mbola kely ny ankizy dia ampianarina tsy hanarinary fako, toy ny fonona vatomamy, « biscuits », kilalao… eny rehetra eny. Entiny mandrapa-lehibeny izany fahazarana izany.

Inona àry no asolo ny harona plastika ?

Efa maro ireo orinasa, indrindra ireo mpivarotra sakafo, no tsy mampiasa harona plastika intsony. Efa misy mantsy ny harona vita amin'ny taratasy, misy amin'ny habeny izay ilainy. Matetika dia "sur commande" ireny harona vita amin'ny akora mety levona.
Raha handeha hiantsena indray, azo atao tsara ny mitondra harona lamba na rofia.

Lire la suite

Articles Similaires