• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Peace Corps : 30 taona nanaovana soa ireo Malagasy any ambanivohitra

17/05/2024 16:27 © Moov

Fambolena, fampianarana, fahasalamana : ireo sehatra telo ireo no iasan’ny mpiasa an-tsitrapo amerikana na Peace Corps eto Madagasikara. 30 taona izay no nisian’ny tanora amerikana miara-mihosina amin’ireo vahoaka Malagasy any ambanivohitra.

Fiaraha-miasa mampandroso

Tontosa androany 17 may 2024 ny fankalazana ny faha-30 taona nisian'ny Peace Corps teto Madagasikara. Teny amin'ny tranon'ny Ambasadaoron'i Etazonia eto Madagasikara, Villa Philadelphia Ambaranjana, no nanatanterahana ny lanonana. "Miara-miasa amin'ny fiarahamonina ho an'ny fiovana maharitra" no lohahevitra nobanjinina.
Fahombiazana tanteraka no azo amintinana ny 30 taona niasan'ireo tanora amerikana mpilatsaka an-tsitrapo. Miisa maherin'ny 1 600 izay no Peace Corps efa teto Madagasikara, ary misy amin'izy ireo no mbola amperin'asa.
Araka ny efa voalaza etsy ambony, sehatra 3 no tena iasan'ireo tanora amerikana :
-Ny fahasalamana : fanentanana sy fanaovam-baksiny eny anivon'ireo CSBII, fanampiana amin'ny fisorohana ny areti-mifindra ;
-Ny fambolena : fanolorana teknikam-pambolena maoderina, hahafahana mahazo vokatra tsara amin'ny tany kely ;
-Ny fampianarana : fampianarana teny anglisy ho an'ireo ankizy sy tanora te ho lasa lavitra amin'ny fahaizana teny vahiny.
Tsy adino ihany koa nefa fa misy ireo Peace Corps voairaka amina asa mikasika ny tontolo iainana. Nanome toky ny talen'ny Corps de la Paix, Mariah Cisse, fa mbola hitohy hatrany ny asan'ireo tanora amerikana mpilatsaka an-tsitrapo eto Madagasikara mandritra ny telopolo taona manaraka.

Fandraisam-bahiny faka tahaka

"Mahay mandray vahiny sady mahatamana i Madagasikara", hoy i Elisa Black, mpilatsaka an-tsitrapo teo aloha. Tsara fandraisana izy ireo na dia mbola tsy nahay teny Malagasy aza tamin'ny voalohany. Maro tokoa ireo fianakaviana malagasy any ambanivohitra any no efa nampiantrano sy niara-nonina tamin'ny Peace Corps. Mifampizara kolontsaina ny roa tonta sady mifanakalo traikefa. Manana atolotra ireo amerikana tokoa mantsy ny malagasy, indrindra eo amin'ny kolontsaina.
Maro ireo mpilatsaka an-tsitrapo amerikana no tsy te hiala eto Madagasikara intsony. Porofon'izany ny mikasika an'i Elsie Black izay lasa monina sy miasa eto amin'ny firenena Malagasy mihitsy. Efa tamin'ny taona 2011-2012 izy no mpilatsaka an-tsitrapo tany Andasibe, nanampy betsaka tamina tetikasa iarovana ny tontolo iainana.
Tsara ny manamarika fa ireo Peace Corps vao tonga eto Madagasikara dia miofana mandritra ny volana vitsivitsy any Mantasoa aloha. Mianatra teny sy kolontsaina Malagasy izy ireo mba hahafahany manatanteraka ny asa ampiandraiketina azy avy eo.

Lire la suite

Articles Similaires