• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Femme Actuelle
Image
Sexualité & Mariage

Hasarotam-piaro diso tafahoatra : torohevitra hialana amin’izany

10/05/2024 11:51 © Moov.Mg

Toe-po voajanahary eo amin’ny olombelona ny hasarotam-piaro. Fomba iray hanehoana ny fitiavana ny olon-tiana na ny vady moa izy io rehefa voalanjalanja tsara. Raha tsy voafehy nefa ny fahasarotam-piaro dia lasa toy ny aretina manampoizina ny tena sy ny fiarahana amin’ny olon-tiana. Ahoana ary ny fomba atao hialana amin’ny hasarotam-piaro diso tafahoatra ?

Ireo fambara ahafantarana ny hasarotam-piaro diso tafahoatra

Atao hoe saro-piaro diso tafahoatra ny olona iray rehefa mifantoka tanteraka amin’ny hoe mampirafy na tsy maintsy hampirafy azy ny olon-tiany. Rehefa mifantoka be amin’izany ny sainy dia lasa mikaroka porofo ampisehoany fa marina ny fieritreretany izy ka lasa : misava ny paosin’ny vadiny, misava ny findainy, mitsikilo izay rehetra ataony sy alehany…
Noho ny tahotra ny ho ampirafesina ihany koa dia lasa mandrara ny olon-tiana amin’ny zavatra maro izy, toy ny hoe tsy mahazo mifandray amin’ny namana na mpiara-miasa, tsy mody hariva loatra… Ny olona saro-piaro diso tafahoatra dia lasa mijaly saina noho ny tebiteby ateraky ny hasarotam-piaro. Mahatsiaro tena mijaly ihany koa ny olon-tiany satria lasa voageja tsy manana fahafahana intsony.

Ahoana ny fomba hialana ny hasarotam-piaro diso tafahoatra ?

Azo atao tsara ny miala amin’ny hasarotam-piaro diso tafahoatra. Anisan’ny fomba manampy amin’izany ny :

Fahatsapan-tena fa diso saro-piaro loatra

Mora kokoa ny mikaroka vahaolana ialana amin’ny hasarotam-piaro diso tafahoatra rehefa mahatsapa-tena fa saro-piaro loatra. Mba ahatongavana amin’izany fahatsapan-tena izany dia mila mandini-tena mikasika ireo fihetsika atao noho ny tahotra sao ampirafesin’ny olon-tiana. Tsy misalasala ihany koa manontany ny hevitr’ity farany mba ahafahana mahafantatra ireo fihetsika mihoa-pefy. Rehefa fantatra ireo fihetsika ireo dia miezaka tsy mamerina azy ireo.

Mianatra sy miezaka mahatoky tena

Isan’ireo antony mahatonga ny olona iray ho lasa saro-piaro diso tafahoatra ny tsy fahatokisan-tena. Matetika izy ireny dia tia mampitahy ny tenany amin’ny hafa, indrindra ireo olona mifanerasera amin’ny olon-tiany. Ny fanaovana izany dia lasa mahatonga fiheverana hoe misy tsy ampy na misy tsy tonga lafatra amin’ny tena. Lasa tsy mahatoky tena intsony ary lasa mihena ny fahatokisana ny olon-tiana. Mba hialana amin’izany dia mila mianatra mahatoky tena. Ireo toetra tsara sy ireo zavatra tsara amin’ny tena no imasoana. Atao an-tsaina hoe matoa ianao no nosafidian’ny olon-tianao dia ianao izany no tsara eo imasony.

Lire la suite

Articles Similaires