• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Motor1-Com
Image
Madagasikara

Rolls Royce Boat Trail : 112 milliards Ariary, fiara lafo indrindra maneran-tany

23/02/2024 10:07 © Moov

Fiara tsara tarehy ho an'ireo tia mitsangatsangana ny Rolls Royce Boat Trail. Anisan'ireo fiara lafo indrindra maneran-tany izy, noho ny vidiny 23 millions d'euros na 112 milliards Ariary.

Fiara raitra sady matanjaka

Tamin'ny taona 2021 ny namoahana ny Rolls-Royce Boat Tail tao Italie. Ny orinasa Goodwood ao Angleterre no namokatra azy. Niainga tamina "villa de luxe" sy sambo ("yacht") moa ny aingam-panahy nanamboarana azy. "Bateau roulant" na "yacht de course" moa no solon'anaran'ity fiara raitra ity satria sady nampiasana hazo no nampiasana vy ny "carrosseries". Mpivady mpanefoefo mpankafy sambo no nanafatra ny fiara. Miisa 1 813 be izao ny kojakoja namboarina manokana handrafitra azy. Mitovitovy amin'ny limousine ny Rolls-Royce Boat Tail satria dia 5,79 metatra be izao ny halavany.

Ny motera ao anatiny dia V12 bi-turbo BMW 6,8 L, ka 571 chevaux no tanjany. Araka izany, mahatratra hatramin'ny 250 km/h ny hafainganam-pandehany. Somary iva nefa izy ka mitaky lalana tsara hahafahaha mitrandraka izay tanjany izay. Eo ho eo amin'ny 15 hatramin'ny 17 litres au 100 (km) ny fandaniany solika. Raitra dia raitra ihany koa ny fanamafisam-peo satria misy "haut-parleurs" miisa 15 novokarin'ny Bose ilay fiara.


Copyright Image : © Autoscout24

Fiara fitsangatsanganana

Ny "malle-arrière"-n'ny Rolls Royce Boat Tail dia feno fitaovana fanaovana "pique-nique". Misy ny "parasol" azo velarina sy ny seza kely roa azo avoaka. Tsy vitan'izany fa misy fitaovana fikarakarana, fandrahoana sy fandrosoana sakafo : refrigérateur, vilia miaraka amin'ny "couverts" vita amin'ny volafotsy sy vera "flûte" fisotroana champagne anatina "Coffret de luxe". Tsy adino ny "serviettes de table". Amin'ny voalohany dia misy champagne (Champagne Armand de Brignac) miisa roa maimaimpoana. Rehefa hisakafo dia misy latabatra azo velarina. Mbola ao anatin'ny "coffret de luxe" ihany koa ny famantaranandro Bovet sy ny penina Montblanc.
"Décapotable" moa ny fiara, ka azo saronana tsara ny faritra ambony rehefa mangatsiaka na avy ny orana.


Copyright Image : © Autojosh

Bugatti, anisan'ireo fiara lafo indrindra ihany koa

Talohan'ny nivoahan'ny Rolls-Royce Boat Trail dia ny Bugatti La Voiture Noire no fiara lafo indrindra : 17 millions €. Marika Frantsay izy io. Naseho tamin'ny "Salon international de l'automobile" tao Genève ilay fiara tamin'ny taona 2019. Matanjaka tokoa ny motera satria dia quadri-turbo 8 litres, 1 500 chevaux. Mbola mandeha noho ny Rolls-Royce Boat Tail izy ity satria hahavitana hatrany amin'ny 400 kilometatra isan'ora. Ny "phares"-n'ilay fiara dia misy singa 25 mirehidrehitra. Miisa 6 be izao ny "sorties d'échappement".

Mila "passion" ny fividianana fiara na zavatra "hors de prix". Azo antoka araka izany fa tsy voatery ho fananana vola tafahoatra no nahazoan'ireo olona vitsivitsy fiara tena raitra sady lafovidy. Misy hatrany ireo sahy manangona sy mitady hevitra hahazoana fiara miavaka, na tsy manana fahafahana amin'ireo tolotra lafo indrindra manerantany aza.


Copyright Image : © Reddit

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo