• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Magicmaman
Image
Sexualité & Mariage

« Pile 72 » na « pilule du lendemain » : tsy azo hoanina matetika!

15/02/2024 11:04 © Moov.Mg

Fanafody hanina aorian’ny firaisana ara-nofo tsy voaaro natao hisorohana ny vohoka tsy niriana ny « pile 72 » na « pilule du lendemain ». Fa ahoana tokoa ny fomba fampiasana azy ireny ? Tsy misy atahorana ho an’ny fahasalamana ve ? Araho àry ireo tsara fantatra mikasika ny « pile 72 ».

Inona tokoa moa ny « pile 72 » na ny « pilule du lendemain » ?

Ny « pile 72 » na ny « pillule du lendemain » dia « pilule de contraception d’urgence » na pilina vonjy taitra hisorohana ny vohoka tsy niriana. Arak’izany dia tsy fanafody fanabeazana aizana izy io ary tsy mitovy amin’ny pilina fandrindram-piterahana izay hanina isan’andro.
Aminy maha-pilina vonjy taitra azy dia tsy tokony hanina matetika izany ny « pile 72 ». Araka ny voafaritra ao anaty ny toromarika fampiasana azy (notice) dia indray mandeha na indroa isan-taona ihany no handraisana azy.

Rehefa inona no mihinana « pile 72 » ?

Tsy azo hanina matetika ny « pile 72 » na « pilule du lendemain ». Rehefa sendra ny toe-javatra tena tsy azo anoharana ihany vao tokony mampiasa azy :
-Aorian’ny firaisana ara-nofo tsy voaaro nefa atahorana hahabevohoka (mandritra ny fotoana mahalonaka ny vehivavy) ;
-Nanadino nihinana fanafody fanabeazana aizana nefa nisy firaisana ara-nofo atahorana hahabevohoka ;
-Rovitra tampoka ny fimailo nandritra ny firaisana ;
-Nisy ranon’aina lasa nefa nampiatra ny « méthode du retrait ».

Ahoana ny fomba fihinanana ny « pile 72 » na « pilule du lendemain » ?

Araka ny efa nolazaina teo ambony dia aorian’ny firaisana ara-nofo atahorana mety mahabevohoka no hanina ny « pile 72 ». Tokony maharitra 72 ora manaraka ny ora nanaovana firaisana ny fiasan’ity pilina ity. Azo antoka ho mandaitra kokoa nefa ity farany rehefa hoanina ora vitsy aorian’ny firaisana tsy voaaro.
Izany hoe raha ny andro nanaovana firaisana ara-nofo no mihinana azy dia 95% ny taham# piasany. 85% raha 24 ora hatramin’ny 48 ora ary 58% raha 48 ora hatramin’ny 72 ora. Tsy mandaitra intsony izy io raha toa ka hoanina mihoatra ny 72 ora.

Inona ny vokadratsy mety hateraky ny « pilule du lendemain »

Ny « pilule du lendemain » na « pile 72 » dia pilina misy tsiry mpanentana izay miasa amin’ny fandrindrana ny fadimbolana sy misoroka ny vohoka tsy niriana. Aminy maha-pilina vonjy taitra azy dia ambony be ny fatran’ny tsiry mpanentana ao anatiny raha oharina amin’ny fanafody fandrindram-piterahana. Mety mitarika vokadratsy izany ny fihinanana azy, toy ny hoe :
-Maloiloy na mandoa rehefa avy mihinana azy ;
-Marary an-doha be ;
-Misy tasin-drà hivoaka ny fivaviana afaka herinandro taorian'ny nihinanana ny « pilule du lendemain » ;
-Marary na mibontsina ny nono aorian'ny nihinanana azy ;
-Mikorontana ny fadim-bolana, mety ho tonga aloha be na ho taraiky be vao tonga ka lasa tsy fantatra mazava ny fe-potoana mahalonaka.
Koa satria be loatra ny fatran’ny tsiry mpanentana anatin’ny « pile 72 » dia izay indrindra no antony tsy hinanana azy mihoatra ny indroa anatin’ny taona iray. Raha hoanina tsy araka ny tokony ho izy ity karazana pilina ity dia mety hitarika fivainganan’ny rà any anaty fo, tsinay na tratra. Mety hahatonga fahatapahan’ny lalan-drà na homamiadana ihany koa. Ny fikorontanan’ny fadim-bolana aterany ihany koa dia mety hahasarotra ny fahazoana zaza any aoriana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo