• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Linkedin
Image
Asa & Fianarana

Ireo fahadisoana mila tandremana rehefa mamaly tolotr’asa

18/01/2024 09:43 © Moov.Mg

Tsy misy fomba famaliana tolotr’asa azo antoka fa mandaitra 100%. Misy kosa nefa ireo fahadisoana matetika mitranga ataon’ireo olona mitady asa ka mahatonga azy ireny tsy antsoin’ny mpanome asa. Ho resahana eto ary ireo fahadisoana mila tandremana rehefa mamaly tolotr’asa.

Mamaly tolotr’asa tsy mifandraika amin’ny traikefa sy fahaizana ananana

Marina fa sarotra ankehitriny ny mitady asa ka maro ireo alaim-panahy mamaly ny tolotr’asa rehetra izay hita « sao sendra voaray tampoka ». Isan’ireo fahadisoana be mpanao tokoa izany. Marihana nefa fa tsy maintsy ho tsikaritr’ilay mpanome asa hoe tsy mamaly ny traikefa sy fahaizanana tadiavin’ilay tolotr’asa akory no hita ao anaty CV. Mazava ho azy fa tsy ho voaantso mihintsy izany ilay mitady asa. Ho raisin’ilay mpampiasa ho olona tsy matotra ilay mitady asa ka tsy ho tehiriziny akory ny mombamomba azy na ny CV-ny. Matetika tokoa mantsy tehirizin’ny orinasa nandefa tolotr’asa ny CV an’ireo mitady asa mahaliana azy. Raha misy asa mifanaraka amin’ny traikefa sy fahaizan’izy ireny dia miantso azy ny orinasa rehefa any aorina.

Mandainga mikasika ny traikefa, ny diplaoma na ny fahaiza-manao

Maro tokoa ireo mpitady asa no manitatra na mamorona mihintsy mikasika ireo zavatra apetrany anaty CV. Misy ireo mandainga momba ny fianarana nataony, ny diplaoma ananany na ihany koa ny fahaiza-manaony rehefa mamaly tolotr’asa. Marihana nefa fa mora amin’ny mpanome asa sy ny orinasa ny manamarina ireny « informations » rehetra ireny. Misy ohatra ireo mandainga mikasika ny fifehezana ny teny vahiny. Apetrany anaty CV hoe mahafehy ny teny anglisy. Rehefa tonga ary ny « entretien » dia atao miresaka amin’ny teny anglisy tokoa ilay olona ary tsy mahay akory. Raha izany no mitranga dia sady ho afa-baraka no tsy ho tehirizin’ny orinasa ny mombamomba azy.

« Lettre de motivation » iray ihany no ampiasaina isaky ny mamaly tolotr’asa

Samy manana ny fahaiza-manao sy traikefa takiana ny orinasa tsirairay mandefa tolotr’asa. Noho izany, mila ovaina atao mifanaraka amin’izany ny « lettre de motivation » amaliana azy ireny. Maro ihany koa ankehitriny ireo malaina hamorona sy hanoratra « lettre de motivation » mikasika ny tenany manokana sy ny traikefany. Aleon’izy ireo maka « modèle » ao amin’ny aterneto ary iny fotsiny no hamaliany ny tolotr’asa. Tsy mahagaga noho izany raha saika mitovy avokoa ireo « lettres de motivation » voarain’ny mpampiasa. Mba hiavahana amin’ny maro sy mba hanintona ny mpanome asa dia tsara raha samy manoratra sy mamorona ny « lettre de motivation » ampiasainy avy ny tsirairay.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo