• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Seko
Image
Madagasikara

Zavona eo amin’ny « pare-brise » rehefa avy orana : ahoana no atao ?

17/01/2024 09:59 © Moov.Mg

Efa maro ireo karazana vokatra (produits) manokana azo jifaina hiadiana amin’ny zavona eo amin’ny « pare-brise » rehefa avy ny orana. Ho an’ireo tsy manana fahefa-mividy na tsy maniry ampiasa ireny vokatra ireny dia misy ireo fikafika azo atao hisorohana sy hanesorana ireny zavona amin’ny « pare-brise » ireny.

Diovina tsara ny « pare-brise » hiadiana amin’ny zavona rehefa avy ny orana

Mora miangona sy mipetaka amin’ny fitaratra maloto ny piti-drano kely mandrafitra ny zavona fahita amin’ny « pare-brise » rehefa avy orana. Mila diovina tsara hatrany noho izany ny « pare-brise » sy ireo fitaratra rehetra anatin’ny fiara alohan’ny hivoahana, indrindra rehefa fahavaratra. Rehefa madio tsara ny « pare-brise » dia tsy ho mora misy zavona rehefa avy ny orana. Tsy ny ivelan’ny fitaratra ihany no sasana tsara fa ny avy ao anatiny ihany koa.

Osorana vinaigitra fotsy ny « pare-brise »

Akora fampiasa matetika amin’ny fanadiovana zavatra samihafa ao an-trano ny vinaigitra fotsy. Anisan’ny fomba iray hisorohana ny fiforonan’ny zavona eo amin’ny « pare-brise » rehefa avy orana ihany koa ity farany. Tsotra ny fomba fampiasana azy. Rehefa avy sasana tsara ny « pare-brise » dia osorana vinaigitra fotsy amin’ny alalan’ny gazety ny faritra avy ao anatiny mba tsy hampisy zavona eo amin’izany. Tsy voatery asiana vinaigitra fotsy ny ivelan’ny fitaratra fa avy ao anatiny ihany dia ampy.

Osorana savony atao sosona manify ny « pare-brise »

Mba hisorohana ny zavona eo amin’ny « pare-brise » rehefa avy orana dia asiana savony eo aminy alohan’ny handehanana. Azo ampiasaina avokoa na ny savony vaingany na savony ranony na « shampoing ». Raha savony vaingany no misy dia lemana kely amin’ny rano aloha ilay savony dia avy eo ahosotra atao sosona manify eo amin’ny faritra anatin’ilay fitaratra. Raha savony ranony na « shampoing » indray no ampiasaina dia ahosotra manify amin’ny alalan’ny « éponge » madio eo amin’ny faritra avy ao anatin’ny « pare-brise ». Tsy endrasana maina ny savony, na vaingany na ranony, fa avy hatrany dia fafana amin’ny lamba (chiffon) madio mba hiala ireo fatra mihoatra.

Ampiasaina ny « ventilation » na ny « climatisation » amin’ny fiara

Raha avy tampoka ny orana eny an-dalana eny ka miforona ny zavona amin’ny « pare-brise » dia alefa haingana ny « ventilateur » na ny « climatiseur » mba hampiala izany zavona izany. Ny fofon’aina mafana ao anaty fiara mantsy no mahatonga ireny zavona ireny rehefa mihidy daholo ny firatratra. Mazava ho azy fa afaka ho azy izany rehefa miparitaka ny rivotra mangatsitsiaka avoakan’ny « ventilateur » na ny « climatiseur ».

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo