• Cours de change
  • 4746.7 AR
  • |
  • $4418.53 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Fizahantany - Fialantsasatra : Ireo farihy hafakely maneran-tany

16/01/2024 15:11 © Moov

Mampahazo aina sy manala rarintsaina ny fialan-tsasatra. Tsy vitsy tokoa ireo fianakaviana na mpifankatia no manokana vola handehanana lavitra isan-taona. Tsara raha mahafantatra toerana mahafinaritra maromaro mialoha, hahafahana misafidy tsara izay tokony aleha. Ho an'ireo tia rano, ireto misy farihy hafakely mahaliana.

Lac Vert # Madagascar

Tsy voatery hivoaka any ivelany akory vao hahita toerana mahafinaritra sy hafakely. Ao Vohémar, faritra Sava, no ahitana ny "lac vert" na "lac sacré d’Andranotsara".

Miloko maitso io rano io rehefa atao tazan-davitra. Araka ny tantara dia tanàna mihitsy no teo amin'io farihy io. Noho ny disadisa nisy nefa dia lasa nisy ny rano ary nivadika voay avokoa ireo mponina. Izany indrindra no hanajan'ny mponina ireo voay amin'ny rano satria heverin'izy ireo fa mitahiry ny fanahin'ireo razambeny ireo biby ireo.


Copyright Image : © Madagascar 2023

Lac Rose - Sénégal

Ho an'ireo mankafy manokana an'i Afrika, manana toerana miavaka sy mahasarika mpizahatany maro i Sénégal. Tsy inona izany fa ny "lac Rose" ao Dakar. Araka izany anarana izany, miloko mavokely ny rano. Mirefy 3 km2 ireo rano io, ary rehefa tazanina avy any ambony dia toy ny atody ny paozin'ny farihy. Raha ny fikarohana nataon'ny manampahaizana dia ny "algues" ao anaty rano no mitondra loko somary mena ka manova ny rano rehefa taratry ny masoandro. Amin'ny andro mafana no tena hahitana ny loko mavokely amin'izany rano izany.
Tsara ny manamarika fa misy "lac rose" ihany koa any Australie.


Copyright Image : © Allafrica

Lac Bleu - Suisse

Ho an'ireo mikasa hitsangatsangana any Eoropa, tsara tsidihana ny "lac bleu" any Suisse. Miloko manga "turquoise" ny rano, ary tena hita tsara izany loko izany rehefa somary mangatsiaka ny andro. Mila miakatra tendrombohitra moa (manao randonnée) vao tonga any amin'ny toerana misy ny farihy. Miavaka tokoa ny rano satria tazana ny "fonds", dia ireo vatovato sy zava-maniry. Ny ala manodidiana maitso mavana dia manome rivotra madio ho an'ireo mpitsidika any an-toerana.


Copyright Image : © Blaussee

Lac Noir - Suisse

Mbola ao Suisse ihany no ahitana ny "lac noir", ao Fribourg. Voajanahary izy io, ary toeram-pizahantany manintona olona maro hatry ny ela. Noho ny tendrombohitra avo manodidina dia azo atao tsar any manao "ski" rehefa mangatsiaka ny andro. Rehefa latsaka ny ranomandry dia mandry ilay farihy ka ataon'ny mpitsidika sy ny mponina eo amin'ny manodidina "piste de patinage".


Copyright Image : © Zermatt

Lac Mckenzie - Australie

Any Australie no misy ny Lac Mckenzie. Farihy lehibe toy ny ranomasina tokoa izy ity, satria dia midadasika tokoa sady ahitana torapasika mihitsy. 1 200 metatra ny lavany ary 930 metatra ny sakany. Paradisakely no miandry : rano miloko manga (turquoise), fasika fotsy sy zavamaniry mahafinatritra manodidina. Maro ireo mpizahatany sy mpiala sasatra no milomano amin'io farihy io.


Copyright Image : © Australie

Lac multicolore - Nouvelle Zélande

Raha te hankafy "paysage" milokoloko sady tsy manam-paharoa, toerana miavaka tsy anenenana ny "Lac Multicolore" any Nouvelle Zélande. "Wai-O-Tapu" no iantsoana azy any an-toerana, izay adika hoe "eaux sacrées". Rehefa atao tazan-davitra dia toy ny "tableau de peinture" ireny ilay farihy. Ny loko maitso, mavo sy volomboasary no tena tazana tsara. Noho ny faritra misy volkano no mahatonga ny loko maromaro marevaka amin'ny rano.


Copyright Image : © Thermal Land Shuttle

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo