• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Lesaffaires.Com
Image
Sexualité & Mariage

Torohevitra manampy amin’ny fitantanana ny vola ao an-tokantrano

16/01/2024 08:54 © Moov.Mg

Isan’ireo toe-javatra mahatonga disadisa eo amin’ny mpivady ny olana ara-bola. Indraindray heverina fa betsaka ihany ny vola miditra nefa vetivety dia lany izany ary tsy misy vola miangona. Ahoana ary ny fomba atao hitantanana ny vola ao an-tokantrano mba ampaharitra azy ireny ?

Fantarina mazava ny vola miditra sy ny vola mivoaka

Ny fomba voalohany ahafahana mitsinjara sy mitantana ny vola ao an-tokantrano dia fantarina mazava ny vola miditra sy ny mivoaka. Izany dia manampy amin’ny famaritana ny fandaniana mila amboarina mba ahafahana manangona sy mitsitsy.
Mba ahatongavana amin’izany dia raisina mazava anaty kahie na ao anaty solosaina (fichier Excel) ny vola miditra rehetra, na ny karama izany na ny tombom-barotra ho an’ireo miasa tena. Raha misy fidiram-bola hafa miditra ao amin’ny tokantrano dia ampidirina ao ihany koa izany. Rehefa izay dia manao lisitra na « tableau » iray hafa ahitana ireo vola mivoaka rehetra ao an-trano.

Tsinjaraina ireo vola mivoaka

Rehefa fantatra mazava ireo vola mivoaka rehetra dia ezahana tsinjaraina tsirairay izy ireny. Izany dia mba ahafahana mamantatra ireo fandaniana azo ahena. Maro ny fomba azo hitsinjaraina ny vola mivoaka. Isan’ny mandaitra indrindra ny mizara azy ireny ho roa lehibe dia ny fandaniana tsy miova (fixes) sy ny fandaniana miovaova (variables).
Ny fandaniana tsy miova dia ireo tsy maintsy aloha isam-bolana sy tsy miova loatra, toy ny hofan-trano, jiro sy rano, vola aloha amin’ny banky, « écolage ». Ireo fandaniana miovaova dia ireo afaka miova toy ny volan-tsakafo, fitsangatsanganana, fialamboly… Ankoatra izay dia manokana teti-bola iray misahana ireo tampoka mety ilaina vola (imprévus) toy ny aretina, adidy…

Fantarina ny tanjona ara-bolan’ny tokantrano

Mila mametraka tanjona ara-bola ny tokantrano mba hananana finiavana hitsitsy sy hitantana ny vola. Izany hoe mifampiresaka ny mpivady mikasika ny tanjona hiraisana hanaovana ny vola voaangona. Hividy fiara ve ? Hanefa ny trosa rehetra ve ? Hanangana trano ve ? Hanomana ny fisotron-dronono ve ?
Samy manana ny tanjona tiany ho tratrarina ny tokantrano tsirairay. Rehefa mipetraka tsara izany tanjona izany dia mamaritra fe-potoana indray hanatanterahana izany. Mety izany maharitra amam-bolana maro na taona maro. Mila hajaina kosa nefa izany fe-potoana izany raha tiana ho tontosa tokoa ny tanjona kendrena.

Alamina ny fomba famoahana ny vola misahana ny fandaniana

Ilaina fandaminanana mazava sy matotra tsara ny fomba famoahana ny vola misahana ny fandaniana ao an-tokantrano. Ny fandaniana tsy miova rehetra dia efaina avokoa isaky ny mandray karama na isaky ny voalohan’ny volana ho an’ireo miasa tena. Rehefa vita izay dia tsinjaraina dieny am-boalohany ireo fandaniana miovaova rehetra ary hajaina tsara ny famoahana izany.
Fadiana ny manao fandaniana tsy tafiditra tao anatin’izany fitsinjarana ho an’ny volana diavina izany. Raha misy zavatra ilaina vola tiana atao dia ampidirina amin’ny fandaniana amin’ny volana manaraka izany. Mila fifehezantena ary fihafiana tokoa ny fitantanana ny vola ao an-tokantrano mba ampaharitra izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo