• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Futura Sciences
Image
Sexualité & Mariage

Ireo tsara fantatra mikasika ny fahamomban’ny lehilahy

11/01/2024 15:48 © Moov.Mg

Eo amin’ny fiarahamonina malagasy dia heverina fa ny vehivavy hatrany no momba rehefa tsy mifampiteraka ny mpivady. Marihana nefa misy ihany koa ny lehilahy momba ary mahakasika mpivady 1 amin’ny 7 eo ho eo izany araka ny voka-pikarohana nataon’ireo manam-pahaizana tany ivelany. Andeha ary ho resahana eto ny mikasika ny fahamomban’ny lehilahy.

Ireo antony mahatonga ny fahamomban’ny lehilahy

Ny atao hoe fahamombana dia ny tsy fahafahan’ny olona iray, na lehilahy na vehivavy, miteraka nefa manao firaisana ara-nofo ara-dalana ary tsy mampiasa fanabeazana aizana. Ho an’ny lehilahy dia maro ireo antony mety mahatonga izany fahamombana izany.
Ny antony voalohany amin’izany dia ny fisian’ny olana eo amin’ny fienjanan’ny mahalehilahy sy ny fahatongavan’ny ranon’aina rehefa miray ara-nofo. Mety ho antony ara-tsaina na ara-batana no mahatonga ireo toe-javatra voalaza ireo.
Ny antony faharoa mahatonga ny fahamomban’ny lehilahy dia ny olan’ny tsirin’aina (spermatozoïdes). Maro moa ireo tsy fahatomomban’ny tsirin’aina miteraka fahamombana, anisan’izany ny :
-« Azoospermie » na ny tsy fisian'ny tsirin’aina anaty ranonaina. Resaka hormonina, fototarazo, aretina (infections) na koa fandidiana natao tamin’ny « testicule » no mety mahatonga izany.
-« Oligospermie » na « Olizoospermie » izany hoe misy tsirin’aina ihany fa latsaky ny tokony ho izy ny isany. Izany dia vokatry ny fahatsentsenan’ny fantsona mitondra ny tsirin’aina, olana amin’ny famokarana ny hormonina, fiovan’ny « testicule » taorian’ny aretina na fandidiana tsy vita tsara, asa mitaky hafanana be mifanandrify amin’ny « testicules », fihinanana fanafody mahery, toaka, rongony…
-« Asthénospermie » izany hoe misy tsirin’aina ao anaty ranonaina fa zara raha mihetsika izy. Izany dia mety ho vokatry ny tsy fahatomombanan’ny habe na halavan’ny tsirin’aina, aretina, fisian’ny hery fiarovana mamono ny tsirin’aina, fihinanana fanafody, fahararian’ny voa, tsy fahampian-tsakafo, fisotroana toaka be loatra, tsy fahampian’ny kalsioma na vitamina D...

Fomba fitsaboana ny fahamomban’ny lehilahy

Marihana fa ny fanaovana « bilan complet » no fomba hamaritana fa momba tokoa ny lehilahy iray. Tafiditra anatin’izany fitiliana izany ny fizahan’ny mpitsabo ny vatana, ny fanaovana « spermogramme », ny « échographie » ny « testicules » ary ny taovam-pananahan’ny lehilahy.
Miankina amin’ny antony mahatonga ilay fahamombana ny fitsaboana atao amin’izany. Noho izany dia misy ny karazana fahamomban’ny lehilahy azo tsaboina. Misy ihany koa nefa ireo tsy azo tsaboina ka mila manao ireny atao hoe « fécondation in vitro » (FIV) ireny raha maniry hiteraka.

Ireo torohevitra manampy amin’ny fisorohana ny fahamomban’ny lehilahy

Misy ireo fomba fisorohana azon’ny lehilahy atao mba tsy ahamomba azy. Anisan’izany ny :
-Tsy fifohana sigara sy ny tsy fisotroana toaka be loatra ;
-Tsy fandraisana zava-mahadomelina ;
-Fanaovana fanatanjahantena ;
-Fiarovantena amin’ny areti-mifindra vokatry ny firaisana ara-nofo ;
-Fihinanana sakafo ara-pahasalamana mba hikolokoloana ny fahasalamana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo