• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Cool Parents Make Happy Kids
Image
Asa & Fianarana

Torohevitra mikasika ny fomba fianarana tsara atoro ny ankizy

10/01/2024 13:54 © Moov.Mg

Dingana sarotra izay mitaky paikady sy teknika isan-karazany ny fianarana mba hahomby. Dieny mbola eny amin’ny ambaratonga ambany ny mpianatra dia mila mikaroka ny fomba fianarana mora ahaizany kokoa. Ireto ary misy torohevitra mikasika ny fomba fianarana mety manampy ny ankizy ka tsara atoro azy ireny.

Mikaroka ny fomba fianarana mandaitra aminy

Misy karazany maro ny fomba fianarana. Misy ireo mora mitadidy ny zavatra hianarana ary mahay kokoa rehefa mianatra amin’ny alalan’ny fijerena sary sy soratra. Etsy andaniny dia misy ireo mahavita mianatra kokoa amin’ny alalan’ny fahenoana ny feo, toy ny fanazavana ny lesona. Farany dia misy ireo karazana mpianatra mitadidy kokoa ny sainy amin’ny alalan’ny fanaovana zavatra rehefa mianatra.
Mila mikaroka ny fomba fianarana manavanana azy kokoa amin’ireo ny ankizy mba ahomby. Tsy tokony terena hanaraka fomba fianarana izany ny mpianatra fa anjarany ny mampiatra izay mety aminy amin’ireo voalaza ireo.

Miezaka mampiatra ny fomba fianarana mety aminy

Rehefa hitan’ilay mpianatra ny fomba fianarana mandaitra kokoa aminy dia mila mitady ny fomba tsara ampiarana izany amin’izay. Mazava ho azy fa samy manana ny teknika ampiasaina aminy manokana ireo karazana fomba fianarana voalaza teo ambony ireo.
Raha ny fianarana amin’ny alalan’ny sary sy soratra no manavanana kokoa ilay mpianatra dia ny mamaky sy mandinika ny lesona no mila ataony mba hitadidiavany izany.
Raha ny feo no mora hianarany dia entanina izy hiaino tsara ny fanazavana any am-pianarana. Azo ataony ihany koa ny miaraka mamaky ny lesona amin’ny namany na amin’ny olona iray ao an-trano mba ahenony ireo lesona sy hitadidiany izany.
Ho an’ireo mila manao zavatra rehefa mianatra mba hitadidiavana ny lesona dia ny manao ireny « fiches » ireny no mahomby indrindra ho azy. Izany hoe averina hadika ireo zava-dehibe mila tadidiana amin’ny lesona.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo