• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Parents
Image
Fahasalamana&Sakafo

Zaza maniry nify : inona no tokony ataon’ny ray aman-dreny ?

08/06/2023 16:42 © Moov.Mg

Maro isika ray aman-dreny no mitebiteby sy tsy mahafantatra ny tokony atao hikarakarana ny zaza maniry nify. Tsy tokony misy mampatahotra nefa izany satria dingana tsy maintsy lalovan’ny zazakely rehetra. Zaraina eto ireo fihetsika tokony ataon’ny ray aman-dreny rehefa mitsiry nify ny zaza.

Ireo fambara ahafantarana zaza maniry nify

Tsara ny mampahafantatra fa any am-bohoka ny zaza dia efa miforona ny nifiny. Izany hoe vao teraka izy dia efa ao anaty valanorano (mâchoire) daholo ireo nify ronono (dents de lait). Miha miakatra tsikelikely izy ireny ary mivoaka rehefa mihalehibe ny zaza. Manodidina ny 6 volana ny zaza no mitsiry ny nify voalohany. Mety ho lasa aloha na ao aoriana koa nefa izany fipotran’ny nify voalohany izany, arakaraky ny zaza.
Maro ireo fambara ahafantarana zaza maniry nify :
-Lasa be rarakivy ilay zaza
-Mivonto ary mivaramena be ny hihiny
-Lasa tia mitsakotsako tanana, akanjo, kilalao
-Kizintintina, manaikitra nono
-Mora taitra rehefa matory sy sarotra ampatoriana
Mahazana dia mareforefo ny zaza rehefa mitsiry nify. Noho izany mety hanavinavy izy na mety hivalana. Tsy voatery ho tratry izany avokoa nefa ny zaza rehetra fa arakaraky ny toe-batany ihany no mamparefo azy na tsia rehefa maniry nify.

Ireo tokony atao rehefa maniry nify ny zaza

Mba hampitony ny hidihidy sy ny fanaintainana eo amin’ny hihin’ny zaza maniry nify dia azon’ny ray aman-dreny atao ny :
Manome zavatra kakerina ilay zaza. Mety izany ho gants na anneaux de dentition na koa tsikanikanin-kena masaka ;
manome zavatra mangatsiaka azy mba ho donto ilay hihy manelingelina azy. Azo omena akondro avy natao tao anaty vata fampangatsiahana, rononon-dreny navaingana ho lasa « glace »… Tsy atao matetika loatra kosa nefa ary tsy mety amin’ny andro mangatsiaka ;
mampinono ary manome tambitamby ny zaza na sorena sy kizintina aza izy. Manampy azy mba ho tony ny fanomezana azy tambitamby sy safosafo. Ny nonon-dreny kosa etsy andaniny mampihena fanaintainana ;
manome sakafo vaingany ny zaza. Tsy atao malemy sy mandranoka ny sakafon’ny zaza maniry nify. Manampy betsaka amin’ny fipoitran’ny ny nify haingana ny fikakerana sakafo vaingany.

Ireo zavatra tokony fadiana

Misy ihany koa ireo fihetsika mila fadiana rehefa maniry nify ny zaza, anisan’izany ny :
-fampitahana ny zanaka amin’ny zaza hafa satria samy manana ny toe-batany ny zazakely tsirairay ;
-manosotra tantely ny hihin’ny zazakely latsaky ny 1 taona satria mety hahavoa ilay aretina atao hoe « bolutisme » izany ary mety mampisy carie dentaire ;
-mampiasa fanafody atao ao am-bava raha tsy ny mpitsabo no nanome izany ;
-mampiasa ireny « collier de dentition » ireny satria mety ho hahakenda ny zaza izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo