• Cours de change
  • 4688.34 AR
  • |
  • $4422.6 AR
Copyright Image : © Franceinfo
Image
Sexualité & Mariage

Ilaina ve ny fananana mpanampy an-trano ?

07/06/2023 15:39 © Moov.Mg

Maro ireo ankohonana misafidy ny maka mpanampy an-trano. Misy ireo afa-po amin’izany fanapahan-kevitra izany fa misy ihany koa ireo nahita olana. Inona ary ny lafin-tsara ny fananana mpanampy an-trano ? Hatraiza kosa ny fetra mampisy olana ny fisin’izy ireny ? Ahoana no atao raha te hisitraka ireo tombontsoa azo avy amin’ny fananana mpanampy an-trano ?

Misy lafin-tsarany maro ny fananana mpanampy an-trano

Vahaolana manamaivana ireo mpianakavy tsy manana fotoana hikarakarana ny tokantrano amin’ny andavanandro ny fananana mpanampy an-trano. Rehefa samy mivoaka miasa ny mpivady dia tsy manam-potoana betsaka intsony anaovana ny raharaha mandany fotoana nefa ilaina amin’ny fiainana isan’andro. Manampy betsaka amin’ny fahasahiranana ateraky ny fakana sy fanaterana mpianatra, ny fikarakarana ny ankizy raha mila mandeha vao maraina sy mody hariva be ny ray aman-dreny.

Mety misy fetrany ny mahatsara ny fananana mpanampy an-trano

Toy ny zavatra rehetra dia mety misy fetrany ny mahatsara ny fananana mpanampy an-trano. Amin’ny maha olombelona ny mpanamy an-trano dia tsy tonga lafatra izy ireny fa mety manana ny indro keliny. Misy ireo fainga-tanana, mangala-bola, kamo miasa, mikapoka zaza, mifosa ny mpampiasa any amin’ny manodidina… Toe-javatra mety hitranga ireo voatanisa ireo ary mila mivonona amin’izany hatrany ny mpampiasa. Tsaroana mandrakariva ihany koa fa tsy mitovy ny fomba fitaizana ny tsirairay ary tsy voatery ho hain’ny mpanampy avokoa izay ampanaovina azy.

Ireo torohevitra manampy amin’ny fitondrana mpanampy an-trano

Manomboka amin’ny fahaizana mitondra olona no fototra voalohany mampilamina ny fifandraisana eo amin’ny mpampiasa sy ny mpanampy an-trano. Mila hajaina hatrany ny zo maha olona ny mpanampy ka fadiana ny manambany, miteny ratsy sy mikasy tanana azy ireny. Hajaina ihany koa ny zony ahazo fotoana hialana sasatra sy hamangiana fianakaviana rehefa fety. Raha marary ny mpanampy, indrindra ny kilasy mandry, dia entoana ny fitsaboana azy.
Mila mahay mametraka ny toerana misy azy ny tsirairay. Izany hoe asiana elanelana eo amin’ny mpampiasa sy ny mpanampy an-trano. Izany dia mba hisorohana ny fihoaram-pefy amin’ny fihetsika na ny fiteny. Raha mifampitakosona loatra ny roa tonta dia mety miteraka fifandonana izany satria mety lasa mihena ny fifanajana.
Rehefa maka mpanampy ny tokantrano iray dia mila faritana mazava ny asa ampanaovina sy ny karama mifanaraka amin’izany. Tsy azo atao ny mampitombo ny asa mihoatra izany nifanarahana. Raha hita fa betsaka loatra ny asa miandry dia tsara kokoa raha maka olona roa mba hisorohana ny raharaha tsy vita. Olombelona mety reraka ihany koa ny mpanampy ka asiana fetrany ny asa ampanaovina azy.
Tandremana tsara ny fanomezana fakam-panahy, indrindra amin’ny lafiny ara-bola na zavatra sarobidy ao an-trano. Ampirimina amin’ny fitoerana mihidy ary tsy mora hita ny firavaka sy ny vola. Tsara ihany koa raha tsy alefa miantsena ny mpanampy satria mety hisy fakam-panahy hangala bola izy rehefa ela ny ela.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo